Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2016

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2016

30 Jona 2016

Eo am-pelatanan'ny Olom-pireneny Ny Fahasalamana ao Venezoela

Manodidina ny 85% ny tsy fahampian'ny fanafody ao Venezoela. Ireo vondrona kely fidiram-bola sy ny vondrona indizeny mila fitsaboana no tena lasibatra.

Manova Ny Endrik'Izao Tontolo Izao Hitovy Amin'ny Fanombohan'ny Game Of Thrones Ny Arzantiniana Iray Mpanao Sarimiaina

"Nahita ilay fanolorana aho ary ny zavatra tonga tao an-tsaiko voalohany dia ny hanao dikan'io maneho ny fireneko".

24 Jona 2016

Eo Amintsika Ny Fiteny: Andiany Fahatelo Amin'ny “Müpüley Tain Mapudungun”

Rising Voices

Amin'ny tapany fahatelo amin'ny tetikasa “Müpüley Tain Mapudungun” (Misavoana Ambony ny Mapudungun Anay), mandinika ny aminn'y fijoroan'ny fiteny ao amin'ny fiainana andavanandron'ny tanànan'i Buenos Aires ny mpandray anjaran'ny atrikasa.

Fanentanana An-Tserasera Ho Fikarohana Ireo Mpanoratra Tononkalo Tany Am-ponja Tsy Fanta-Tompo Nandritra Ny Fitondrana Jadona Tany Arzantina

"ho an'ny ankizy rehetra izay miandry/ny fiposahan'ny masoandro/ho anareo rehetra miroso hatrany isika"

Afaka Fotoana Fohy, Azo Jerena Maimaim-poana Amin'ny Aterineto Ilay Fanadihadiana ‘Humano’  Fankalazana Ny Fetiben'ny Masoandro Fanaon'ny Incas

Manjohy ny fikatsahan'ny tovolahy iray hitady ny valim-panontaniana momba ny toe-piainan'ny olombelona any Andes Peroviana ny " Humano ".

23 Jona 2016

Pôrtôrikàna No Ankamaroan'ireo Namoy Ny Ainy Tamin'ilay Vonomoka Tao Orlando

Misaona ny famoizana ireo hava-malalany maty tany amin'ny iray amin'ireo toerana malaza falehan'ny Pôrtôrikàna mifindra monina any Etazonia hikatsaka fiainana tsara kokoa ry zareo Pôrtôrikàna

18 Jona 2016

Rahonan'ny Fikorontanan'ny Toetrandro Ilay Fetibe Qoyllur Riti Mampifangaro Ny Finoana Katolika Amin'ny Finoana Nentimpaharazana ao Però

Mampiseho ny fifangaroam-pivavahana mampiavaka ny faritra ny fankalazan'ny Peroviana ny Qoyllur Riti, nefa ahiana ho potiky ny fiovaovan'ny toetrandro izany.

17 Jona 2016

Ny Herinandron'ny Global Voices Podcast: Ny Asanao Fotsiny Atao Ry Akama a!

Ho any Rosia, Madagasikara, India, Venezoela ary Singapaoro no hitondranay anao amin'ity herinandro ity.

Brezila : Esorina Ny Filoha, Ny “Fianakavian'ny Mpanjaka” Te-Hilalao Ny “Lalaon'ny Seza Fiandrianana” Ho Tena Izy

127 taona izay, fitondrana mpanjaka no rafi-pitondrana tany Brezila, fa nanome fotoana ireo mpandova ny fianakavianà mpanjaka farany tao amin'ny firenena hampiantso ireo mpandàla ny fiverenana amin'ny rafitra fitondrana mpanjaka ny mety ho fanonganana ny Filoha Dilma Rousseff.

14 Jona 2016

Mametra Ny Fifandraisana Sy Ny Fahalalaham-pitenenana Ny Fahatapahan'ny Herinaratra Ao Venezoela

GV Mpisolovava

Nantsoina ho "miadam-pandeha indrindra ao Amerika Latina" ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ao Venezoela.