· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2018

Venezoela: Trano Famoahamboky Mamoaka Asa Soratra Anaty Aterineto

Misy vaovao tsara ho an'ireo mpankafy ny literatiora amin'ny teny Espaniôla. Noho ny fandraisana andraikitra avy amin'ny Minisitry ny Kolontsaina Venezoeliana, efa azo alaina maimaimpoana ao anaty aterineto ny asa soratra avy amin'ny trano famoahamboky Ayacucho Library. Ankalazain'ireo bilaogera ilay fifantenana boky, izay manamora ny fahazoana iteratiora.

28 Febroary 2018

Venezoela: Iria Puyosa

Tsy mihevitra aho hoe hisy fiantraikany goavana eo amin'ny hevi-bahoaka sy ny adihevitra politika ireo blaogy venezoeliàna ; Efa nambarako fa tsy miraharaha anay ireo media goavana.

19 Febroary 2018

Manome ‘Labiera, Hena sy Fampijaliana,’ Vondrona Karnavaly Te-Hankalaza Ny Didy Jadona Miaramila Tao Brezila

Nanokatra fanadihadiana mikasika ireo mpikarakara ny "Porão do DOPS" ny Minisiteram-panjakana São Paulo. Araka ny voalazan'ireo mpampanoa lalàna, "manevateva ny zon'ny fahamarinana sy ny fahatsiarovana" ity vondrona ity ary koa "mampiroborobo fiarovana ny heloka bevava fampijaliana".

14 Febroary 2018