Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2009
Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza
Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York
Amerika Latina: finoana, matoatoa, devoly ary tahotra.
Manan-karena tokoa i Amerika Latina raha ara-tantara: ny angano sasany dia tonga aty amintsika avy any Incas, Mayas na Aztecs, ary ny sasany dia azo tamin'ny fanjanahan-tany tany Eoropa. Amin'ny tapany voalohany amin'ity lahatsoratra avy any Amerikana Latina ity, hitety ireo lovan-tsofina sy angano malaza indrindra toa an-dry Llorona, ny Cegua, ny Cadejos ary ny "Evil Light" isika.
Repoblika Dominikana: Natao veloma farany i Luis “Rahorohoro” Dias
Nanao veloma an'ilay mpitendry sy mpamoron-kira Luis “Rahorohoro” Días [es] ny Repoblika Dominikana, maty vokatry ny areti-po sy olana teo amin'ny voa tany Santo Domingo ny 08 desambra lasa teo...
Sarimihetsika 3D Kolombiana mivoaka amin'ny aterineto
Taorian'ny herintaona niasana mafy, dia nahavita sarimihetsika fohy ireo orinasa Kolombianina roa, mitantara ny fitiavana voarara eo amin'ny otrikaretin'ny gripa sy ny sela fotsy ary maniry ny hizara azy maimaim-poana amin'ny izao tontolo izao amin'ny fampisehoana azy voalohany amin'ny aterineto.
Guatemala: Fanimbàna ny varavaran'ireo toeram-pivarotan-tena [bordel]
Manolotra ny fijeriny manokana ny blaogy Noticias para Dios, sady mivantambantana no ara-bakiteny, momba ny andavanandrom-piainan'ny mpisolovava Goatemalteky iray manavotra ankizy namidy avy any amina toeram-pisotroana sy 'bordel'.
Peru: Tonga ao Lima ny Cow parade
Rakotry ny sarin'ombivavy mivongana mitovy habe amin'ny tena izy ireo zaridaina sy toerana natao ho an'ny daholobe ao Lima, ny Cow Parade izay mahavita mampiranty asa 80 samihafa mba ho fanangonam-bola ho ana fikambanana maro.
Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany
Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.