Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Marsa, 2018

Mampaneno Lakolosy Fanairana Amin'ny Fifidianana ho Filoham-Pirenena Ao Costa Rica ny Mpiaro ny Zon'ny LGBTQI

"Sario ny tsy fankasitrahana manerantany, Costa Rica, miverina aminy amin'ny Vanin-taona Antenantenany ary mangataka hiditra ao amin'ny zoro maizin'ny fondamentalisma izay mbola misy eto amin'ny planeta."

Venezoela: Ao Anatin'ny Sanganasan'Ilay Mpanakanto Jesus Soto

Anisan'ireo sanganasa malaza indrindra mampiseho ny zavakanto maoderina Latino-Amerikana , fantatra indrindra tamin'ny zavakanto mampihetsi-po ny sanganasan'ilay mpanakanto Venezoeliana Jesús Soto (1923-2005) .

Kostà Rikà: Mihatra Ny Lalana Vaovao Momba Ny Fifamoivoizana

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, nanohy niady hevitra, naneho hevitra, ary nitsikera ny lalàna vaovao momba ny Fifamoivoizana izay nihatra tamin'ny herinandro voalohany volana Martsa ny tontolon'ny bilaogy Kostà Rikàna. Maro no naneho ny tsy fahafaham-pony tamin'ny soso-kevitra naroso tao amin'ny lalàna vaovao.

Inona Avy No Nahaliana Ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 19 Feb – 25 Feb ?

Nandritra ny herinandron'ny 19-25 Febroary 2018, nahasarika mpamaky marobe avy amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao ireo tantara sy fandikana nataonay. Ny nomerao 31 ao amin'ny lisitra? Makedonia. Ary ny nomerao 191? Kaomoro.

Pôrtô Rikô: Nalahelo Noho Ny Horohorontany Ny Bilaogera

Tokony ho tsaroana amin'ny tantaran'ny heriny sy ny fiaretany tsy manam-petra i Haiti. Haïti no firenena voalohany tany Amerika Latina nahazo ny fahaleovan-tenany, ary repoblika mainty voalohany taorian'ny fanjanahan-tany manerantany. Ankehitriny, tsy maintsy tsaroana mihoatra ny hatramin'izay, ny vahoaka Haitiana sy i Haïti..

Repoblika Dominikana: Manampy An'i Haiti Mpifanolo-bodirindrina Taorian'ny Horohorontany

Ifampizaran'i Haiti sy ny Repoblika Dominikàna ny nosy Hispaniola. Raha ny tao amin'ny Repoblika Dominikàna ihany no niharan'ny horohorontany, nijaly ny faharavàna goavana i Haiti taorian'ny horohorontany. Manao izay vitany mba hanampiana ny mpifanolo-bodirindrina aminy ny Dominikàna.

Mihoatra Sisintany Ny Fisaonana An'i Stephen Hawking

Nahafantatra ny fahirata-tsaina ara-kôsmika an'i Stephen Hawking ny rehetra, saingy vitsy no nahatakatra izany. Eny fa na dia ireo astrônôma ngezalahy sy ngezavavy aza.

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 12-18 Marsa?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 208 ny tantaranay sy ny fandikanteninay!

Repoblika Dominikàna: Manontany momba Ny Ronono Omena ny Mpianatra

Amin'izay mety ho toa vaovao bitika tsy misy fiantraikany, ao anatin'ny raharaham-panafintohinana ronono ny Repoblika Dominikana ary efa nisy ny bilaogy nilaza fa ranon-tsiramamy no nomena ny mpianatra raha tokony ho ronono manontolo na ara-dalàna.

Kostà Rikà Miresaka Momba an'i Arias, Sabina ary CAFTA

Tao anatin'ny tapa-bolana, niresaka momba ny CAFTA, mozika sy fitarainana vitsivitsy momba ny lalana sy ny fako ny bilaogy Kosta Rikàna. Ireo roa farany ireo no olana mampanahy ny olona eny an-dalambe ary toa tsy mampiraika ireo manana fahefana.