Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2019
Costa Rica: Sarimihetsika Nasionaly nahazo tamberina tsara
Filma anankiroa notontosaina tao Costa Rica no nanintona ireo mpijery sarimihetsika, sy ireo bilaogera ihany koa. Ny El Cielo Rojo (Ny lanitra mena) miresaka momba ny tanora ary ny El Camino (Ny lalana) manapika sary ny fanirian'ny maro handeha hitety tany.
Azon'ny Kamerà: Lahatsary momba ny Zon'olombelona ato amin'ny GV
Herinandro vitsivitsy miavaka ho an'ny lahatsary GV momba ny zon'olombelona iny, koa ndeha isika hiditra avy hatrany amin'izany...
Tatitry ny Mpisera : Ny fomba nanampian'ny WhatsApp (sy ny 3 tapitrisa dolara) an'i Jair Bolsonaro tao Brezila mba hahazo fandresena
Manome topimaso iraisampirenena momba ireo fanamby, ireo fandresena, ary ireo fironana vao misandratra eo amin'ny lafiny zo nomerika maneran-tany ny Netizen Report (Tatitry ny Mpisera) ato amin'ny Global Voices Advox
Sambany teo amin’ny tantaran’i Brezila no nisy vehivavy indizeny tafiditra tao amin’ny Kongresy nasionaly
I Joênia ihany koa no vehivavy Breziliana vazimba voalohany lasa mpisolovava ary niaro ny vahoakany tany amin'ny fitsarana ambony federaly tao Brezila.
Manambatra hery ireo mpanao gazety, YouTubers, sy ny mpanao politika ao Kolombia mba hanohitra ny famonoana ireo mpitarika ara-tsosialy
Youtubers, mpanao gazety ary mpanao politika no nanambatra hery mba hanohitra ny famonoana tsy ara-dalàna ireo mpitarika ara-tsosialy tany Kolombia miaraka amin'ny fanentanana #ALeaderInMyPlace, ka manokatra ny sehatry ny fampahalalam-baovaon'izy ireo ho an'ny mpitarika izay iharan'ny fandrahonana izy ireo mba hanoratra na hiloa-bava ao amin'izany.