Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2012

30 Avrily 2012

Kioba: Maneho Hevitra Momba Ny Famotsorana an'i Ferrer García Ireo Any Am-pielezana

Nafahana tao anatin'iny faran'ny herinandro iny ilay voafonja noho ny fnehoan-keviny , Jose Daniel Ferrer Garcia. Mitondra fanamarihana momba izay fivoaran-draharaha vao haingana izay ireo bilaogera any am-pielezana

29 Avrily 2012

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy

Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14  Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana ity noho ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin'ireo ankizy, nalefa nody avy hatrany anefa izy rehefa nanambara fa manan-jo tsy...

27 Avrily 2012

Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão

[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera...

Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia...

26 Avrily 2012

Meksika: Miresaka Manohitra Ny Lalàna Geo-localisation Ireo Mpiondana Aterineto

Naapiasa ny bilaogy sy ny Twitter ry zareo Meksikana mba hanehoana hevitra momba ireo fanovàna vao haingana navoaka sy fantatra amin'ny hoe “Lalàna Geo-Localisation”, izay manome fahafahana ireo manampahefana mba hiditra hahita amin'ny fotoana rehetra ny tena misy marina ny olona iray mampiasa ny fitaovan-tserasera findainy.

25 Avrily 2012

Brezila : Mafàna Fo Nanao Hetsika Hanoherana Ny Fahatsiarovana Ny Jadona Miaramila

Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena. Nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka...

23 Avrily 2012

Lahatsary : Fananihana An'i Chirripó, Teboka Avo Indrindra ao Costa Rica

Le point culminant du Costa Rica est le Cerro Chirripó, 3 820 mètres. Au cours du temps, son ascension a attiré de nombreux alpinistes locaux et étrangers. Des vidéos des années 60 et actuelles présentent des expéditions très différentes.

21 Avrily 2012

Mankalaza Ny Andron'ny Bisikileta Manerantany i Mexico

Ao an-tanànan'i Mexico, ny fivoizana bisikileta no fomba haingana, mora ary vetivety ihodidinana ireo faritra be olona sy fitohanana.