Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2014
Ho An'ny Kiobàna Mpanohitra, Midika Fanantenana, Tahotra Ary Hatezerana Ny Famitranam-pihavànana USA-Kiobà.

"Tsy solosaina iray akory i Kiobà ka hoe azonao ametrahana rindram-baiko iray vaovao dia antenaina hiova ny fiasàny," hoy ny olona iray malaza amin'ny fiaraovana ny zon'oloòbelona.
Fampisehoana Britanika Top Gear Tsy Tsara Loatra Tao Arzantina Taorian'ny Gafy Momba an'i Falklands
Niteraka fifandrangitana indray teo amin'i Britanika sy Arzantina momba ny nosy Falkland indray ny fandaharann'ny BBC antsoina hoe Top Gear rehefa nandraki-tsary tany an-toerana. Hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity ny fandaharana izay noraketin-dry zareo.
Tsy Mbola Mahafantatra Kiobà Tsy Natao Fahirano Aho

Fijerin'olona iray manokana momba ny fifanatonan'i Etazonia sy ny tanindrazany nosoratan'ilay Kiobàna mpanao gazety sady mpikatroka Sandra Alvarez.
Kiobà: Na Misy Na Tsia Fanavaozàm-panjakàna, Midika Teknolojia Bebe Kokoa Ny Vola Misimisy Kokoa

Inona no ho entin'ireny fiovàna tamin'ny Alarobia ireny ho an'ny fahafahana miditra aterineto sy ny telefôna finday ao Kiobà? Hatreto, kely ny finoana. Saingy misy zavatra vitsivitsy mba azontsika raisina avy amin'ny resak'ireo filoha roa ireo—sy ny tsy nolazainy—hatreto
Namelona Indray Ny Adihevitra Momba Ny Zon'olombelona Ao Venezoela Ny Famonoana Ilay Mpikatroka LGBTQ
Misaona an'i Giniveth Soto, Venezoeliana mpikatroka hoan'ny fitovian-jon'ny lahy sy vavy maty nisy namono tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ireo mpiaro ny zon'ny LGBTQ.
Ny Lesona Azon'ny Hetsika Erantany Momba Ny Toetrandro Tsoahana Avy Ao Amerika Latina
"Manana an'ity hetsika goavana ity i Amerika Latina, izay mazàna no tsy mitonona ho hetsika momba ny toetrandro, nefa ny zavatra ataon-dry zareo dia ampahany tanteraka amin'ireo tolona ho fanoherana ny fiovaovàn'ny toetrandro."
Tanànan'i Arzantina Manome Valisoa ireo Bilaogin-tsekoly Manentana Amin'ny Fampihenana Ny Herisetra Mianjady Amin'ny Vehivavy
Nahitana fitomboan'ireo fikambanana misahana manokana ny fanentanana momba ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Arzantina. Na dia eo aza anefa izany, mbola mitombo hatrany ireo trangana herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
Mikasa Hanampy Ireo Firenena Hafa Hiady Amin'ny Fandripahana Ala ao Amazonia i Brezila
Nanambara drafitr'asa hanatanterahana rafi-panarahamaso ireo firenena hafa ao Amazonia ny governemanta Breziliana nandritra ny COP (Kaonferansa faha-20 momba ny Fikorontanan'ny Toetr'andro) notontosaina tao Lima, Però.
Tena Tratry Ny ‘Tsimokaretin'Ireo Vahiny Mpanao Heloka Bevava’ Ve i Arzantina? Sa Ireo Politisiana Mpankahala Vahiny Ihany?
"Tratry ny tsimokaretin'Ireo vahiny mpanao heloka bevava isika," hoy ny sekretera misahana ny fiarovana ao Arzantina, niteraka resabe teny anaty adihevitra mikasika ny tsy fandriampahalemana ao amin'ny firenena.
Meksikana Mpanao Fihetsiketsehana Nanapaka ny Lanonam-Panomezana ny Loka Nobel. Ahoana Hoy ny Reniny?
Araka ny rahalahiny, nanantena i Cortés ny hisarika ny saina amin'ny fanjavonana sy ny filazana fa famonoana faobe nahazo ny mpianatra miisa 42 ao Ayotzinapa ao Meksika.