Syria: Tsy afaka miaraka ireo mpitarika Arabo, na dia ao anaty efitra aza

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2009)

Raha niditra tamin'ny herinandro fahatelo ny herisetra tao Gaza;dia tsy nahavita niombon-kevitra tamin'ny filàna hanaovana fihaonambe maika ho an'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Ligy Arabo izay nangatahan'i Qatar sy Syria ireo  arabo mpitondra. Tezitra ireo bilaogera Syriana noho ny korontana politika miseho izay manasongadina ny mety ho lazaina ho fizarazarana ara-politika lehibe indrindra eo amin'ny tantara Arabo vao haingana.

Sasa, avy amin'ny Syria News Wire mitaraina tamin'ny lahatsorany farany mitondra ny lohateny hoe “Henatra, henatra, henatra ho an'ny tontolo Arabo”:

The pathetic Arabs can’t even be bothered to attend an emergency Arab League summit to discuss the massacre in Gaza.

You useless, irresponsible, self-serving, collaborating, shameless lame-ducks. Have you given up even pretending to represent us?

Tsy azo sahiranina hanatrika ny fihaonambe maika an'ny Ligy Arabo ireo Arabo manondratrondrana mba hiresaka ny vono olona any Gaza.

Tsy misy ilàna anareo, tsy tompon'andraikitra, tia-tena, miray tsikombakomba, lany henatra. Nafoinao mihitsy ve na dia mody hiseho fa misolo tena anay aza?

Manasongadina ireo firenena manohitra ny fihaonambe ihany koa izy:

These are the countries which couldn’t be bothered:
Egypt, Saudi Arabia, Kuwait, Iraq, Jordan, Tunisia and Bahrain.

You pigs.

Ireto ny firenena izay tsy azo kotabaina :
Ejipta, Arabia Saodita, Koety, Iràka, Jordania, Tonizia ary Bahrain.

Kisoa ianareo.

Syriangavroche miombon-kevitra [ar] amin'i Arabia Saodita sy Ejipta amin'ny tsy fanaovana fihaonambe maika Arabo miaraka amin'ny esoeso mafaitra:

أعتقد أنني أتفق مع مصر و السعودية في موقفهما الرافض لانعقاد القمة العربية, و يأتي هذا الاتفاق من حرصي على صحة المواطنين العرب النفسية , يُفضّل أن يكون الذل متفرّقاً في قصور العواصم العربية على أن يجتمع كله في قاعة واحدة “فرد خبطة”, فهذا سيشكّل صدمة قد تكون أكبر من قدرة المواطن العربي على امتصاص الصدمات, رغم أن هذه القدرة متطورة جداً لدينا بحمد الله و فضل أنظمتنا الحكيمة

Heveriko fa miombon-kevitra amin'i Ejipta sy Arabia Saodita aho amin'ny fijoroan'izy ireo handà ny fihaonambe Arabo. Avy amin'ny ahiahiko mikasika ny mahasoa ara-psykolojian'ny olom-pirenena Arabo izany fiombonan-kevitra izany. Tsaratsara kokoa fa nizarazara tao amin'ny lapa ao amin'ny renivohitra Arabo ny fanalam-baraka fa tsy natambatra indray mandeha ao anaty efitrano iray. Mety hiteraka ratram-po ivelan'ny fahafahan'ny olom-pirenena Arabo hiatrika izany, na dia tena mandroso aza izany fahafahana izany noho  Andriamanitra sy ny  fitondrana hendry.

Nitranga izany raha nitatitra ny vaovao ireo masoivohom-baovao fa nandroaka ny masoivoho Israeliana noho ny heloka bevava natao tamin'ny zanak'olombelona tao Gaza i Bolivia sy i Venezoela, mbola misitraka ny fitiavana mandray vahiny avy amin'ny firenena Arabo “tony fihetsika” ireo ambasadaoro Isiraeliana.

3abdallah [en] manambara ireo firenena Amerikana Latina roa ireo ho toy ny “Arabo”. Manohy manazava ny antony izy hoe:

جمهورية بوليفيا العربية

المملكة العربية الشافيزية

نعم بوليفيا عربية، فالعروبة ليست فقط لسانا نتكلم به، العروبة هي مواقف. العربي الأصيل شجاع ولا يرضى بالظلم.

Repoblika Arabon'i Bolivia

Fanjakana Arabo Chaveziana

Eny, Arabo i Bolivia; Tsy fiteny fotsiny ny hoe maha-Arabo, fa fijoroana mihitsy. Ny tena Arabo dia mahery fo ary tsy manaiky ny tsy rariny.

A.H. ao amin'ny bilaogy the damascene blog naneho ny fihetseham-pony manoloana ny fijroan'ny firenena Arabo “tony fihetsika”:

I used to call myself ‘moderate’ but during this wave of crisis, the ‘moderate’ Arab countries have managed to turn moderation into a synonym for cowardice.

Nahazatra ahy ny miantso ny tenako hoe “tony fihetsika” saingy nandritra ity onjan'ny krizy ity, nahavita namadika ny fitoniam-pihetsika ho mariky ny fahakanosana ny firenena Arabo “tony fihetsika”.

Na dia ny teny masiakan'i Al-Gaddafi tamin'ny fihaonambe Arabo teo aloha aza lasa tsy misy dikany ankehitriny “Tsy misy zavatra mampitambatra antsika Arabo, ankoatra ity efitra ity”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.