Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2020

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2020

Tonga hatrany Amerika Atsimo ny setroka avy tamin'ny afo tany Aostralia

Namakivaky ny Oseana Pasifika mirefy 12.000 kilometatra ny setroky ny afo be tany Aostralia.

Tsy mahazo Afa-tsy 5 volana fanaovana asa fanompoana Fiarahamonina ilay lehilahy Breziliana iray voampanga amin'ny Trangàna fanaovana valifaty amin'ny lahatsary mamoafady

Nanao voady ny hiady mba hahatonga ny fanaovana valifaty an-dahatsary mamoafady ho toy ny fandikandalàna ilay niharam-boina.

Navoaka ny fonja ilay vazimba Goatemalteka mpanora-gazety voampanga ho manao fampihorohoroana

Ao Goatemalà, nosamborina araka ny lalàna iray mampisalasala ny vazimba iray mpanora-gazety.

Tsy laitran-doza ve ny ao Karaiba?

Mpiakaroka roa — izay niaiky fa "tsy tonga lafatra ny fomba nampiasain-dry zareo" — no manosoka hevitra fa ireo fanjakana nosy no teorana azo antoka indrindra ho aloha raha sanatria tonga ny apôkalipsa. Fa handray ny rehetra ho tongasoa ve anefa ny Atsimo?

Brezila: “Tsunami” tao amin'ireo tanàna mahantra indrindra any Avaratra-Atsinanana

Farafahakeliny, 46 no maty ary an-jatony no tsy hita popoka nanomboka tamin'ny zoma 18 jiona 2010, izay no tarehimarika vonjimaika tamin'ny tondra-drano namely ireo fanjakana manodidina tao Alagoas sy Pernambouc, ao Avaratra-Atsinanan'i Brezila nandritra ny loza ara-tontolo iainana ratsy indrindra araka ny fitadidian'ny mponina eo an-toerana

Arzantina : Tanora mpitolona iray maty nandritra ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana

Maty nandritra ny fifandonana tamin'ny fihetsiketsehana iray nitranga tao Buenos Aires tamin'ny 20 oktobra 2010 i Mariano Ferreyra, mpianatry ny Oniversiten'i Buenos Aires sady mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa.