Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2011
Horonantsary: Fankalazana ny Fisarahan-taona
Arendrina, dihy, voninkazo ary afondasy no fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny fankalazana manerana izao tontolo izao ny Fisarahan-taona Lohataona sy Ririnina. Andeha hitety izao tontolo izao hijery ireo karazam-pankalazana niseho: Fisarahan-taona...
Arzantina: Tsy Hay Tohaina Ny Lavenon'ilay Volokano Puyehue Any Amin'ny Faritr'i Arzantina
Mamely faritra maro any Arzantina ny lavenona nateraky ny fipoahan'ilay Volokano Puyehue any Chile, nahatonga ny manampahefana hametraka ny fepetra noho ny hamehana any amin'ny faritr'i Patagonia. Io fipoahana io no ho isan'ny loza voajanahary goavana indrindra nidona tamin'ny firenena tato anatin'ny taona vitsivitsy.
Kiobà: Sambany hifampihaona ny mpisera Twitter
Nataon'i @leunamrguez (Leunam Rodríguez) ny fanambarana fisian'ny fihaonana voalohany eo amin'ny mpisera Twitter Kiobàna izay hotanterahina amin'ny voalohany volana jolay amin'ny efatra ora folakandro eo amin'ny fihaonan-dalana faha-23 sy faha-12 ao La Havanne. Andrasana fatratra na ao Kiobà na ety ivelany moa ity fihaonana ity.
Kolombia: Aoka izay ny finday mihoson-drà
Olan'ny filaminam-bahoaka ao Kolombia ny halatra finday sy ny famarotana azy ireny eny amin'ny varo-maizina avy eo, ka nahatonga ny governemanta hanapa-kevitra hiatrika azy io tamin'ity taona ity. Saingy araka ny efa nampoizina dia niteraka fanehoan-kevitra samihafa ilay fepetra.
Kolombia: Halatra tao amin'ny Foiben'ny Parlemanta Andeana
Tamin'ny faha-7 ny volana jona, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Andeana no voaroba tao amin'ny foiben'ny rafitra tao Bogotá, Kolombia. Ny Parlemanta Andeana no solontena mpanara-maso ny Fokonolona Andeana, fikambanam-paritra ahitana an'i Bolivia, Kolombia,...
Però: Manambara ny fiverenany hitokona ao Puno indray ny vazimba Aymara
Taorian'ny fampiatoana vonjimaika [es] ahafahana manatontosa ny fifidianana filoham-pirenena [es] ao amin'ny faritr'i Puno, dia nanambara ny fiverenany [es] tanteraka hitokona [es] indray ny vazimba Aymara, amin'ny fitakian'izy ireo hanafoana ny toeram-pitrandrahana ankibon'ny tany rehetra any Puno
Però: fifidianana 2011: Torapo avy amin'ny adihevitr'ireo kandidà ho filoha
Narahina akaiky tao amin'ny tambazotran-tserasera ny adihevitra tamin'ny fahitalavitra nifanaovan'ny kandidà roa mifaninana ho filoha Peroviana, Keiko Fujimori sy Ollanta Humala. Andro maromaro aty aoriana dia mbola mitohy ihany ny adihevitra, saingy efa mifantoka kokoa amin'ny dingana faharoa amin'ny fifidianana izy ireo, izay notontosaina ny Alahady 5 Jona.