Tantara mikasika ny Honduras

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

30 Novambra 2018

Honduras: Lasa filoha ihany i Porfirio Lobo taorian'ny fifidianana nampiady hevitra

Ny fifidianana dia efa nampiady hevitra satria fanohanana ankolaka ny fanesorana ny filoha teo aloha Manuel Zelaya tamin'ny volana Jona taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Tamin'izany fotoana izany, nandimby toerana an'i Zelaya i Roberto Micheletti, izay filohan'ny Kongresy Nasionaly, ary nandimby ny toerany mandra-pahatonga ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2009.

19 Oktobra 2018

Honduras: Fampidirana ho an'ireo Blaogy au Honduras – Ampahany faha-3

Tanora maro ao Honduras maro no mitoraka blaogy ankehitriny, ary mitobaka be ireo blaogy manokana amin'ny teny Espaniola. Fanambin'ireo ny fizarazarany ho anaty sokajy. Maro ireo fampidirana no miresaka mikasika ny zavatra rehetra na zavatra iray manokana, ny tapa-tsarimihetsika farany indrindra natao ho dokambarotran'ilay sarimihetsika, tantaram-pianakaviana, ary dokambarotra mafanafana mihitsy aza. Ity misy santionany amin'ireo blaogy be dia be nokarohako. Ao amin'ny fizarana faha-3 amin'ity fampidirana ny tontolon'ny blaogy ao Honduras ity, ifantohana ny mikasika ny lohahevitra manokana sy andavanandro.

17 Oktobra 2018