Ireo bilaogera nanohitra ny fanakorontanan'ny mpandroba tamin'ny 1 Mey

(Lahatsoratra tamin'ny mey 2006)

Mankalaza ny voalohany Mey isan-taona ny Foiben'ny Vondron'ny Mpiasa (CUT), manerana ny tanàndehibe ao amin'ny firenena. Tao Santiago, nanomboka vao maraina niaraka tamin'ireo mpiasa rehetra ny diabe am-pilaminana tany Alameda, iray amin'ireo làlana lehibe indrindra ao an-drenivohitra. Nandray fitenenana avy eo ny solontena ambonin'ny CUT, Arturo Martinez izay nifantoka tamin'ny olan'ny rariny ara-tsosialy sy ny demokrasia. Nasaina avokoa ny manampahefana rehetra. Natao teo anoloan'ny tranobe Diego Portales tao afovoan-drenivohitra ny fihetsiketsehana. Natao tamim-pilaminana ny hetsika iray manontolo .

Rehefa vita izany, olona maherin'ny 350 teo – izay nisaron-tava ny ankamaroany – no niditra tao anatin'ny fihetsiketsehana ary nanimba sy nandroba ireo toeram-pivarotana samihafa nanodidina ny faritra.

Nanoratra ny Mi verdad, tu verdad, la verdad hoe “… ary nanomboka ny fandrobana sy ny fanimbana ( ny Burger Inn sy ny McDonald's hatrany aloha no hanombohana izany, nahoana?).  Ary nilaza ny fahitalavitra fa  nanasa tena ireo mpandroba  …”  Manana lohateny tena tsara momba ity olana ity ao amin'ny bilaoginy i Sebastián Torres : “Andron'ny mpiasa sa andron'ny jiolahimboto ?????” Nilaza ihany koa izy fa ho henjehin'ny  manampahefana ireo tompon'andraikitra tamin'izany.

Nanambara ny filoha Michelle Bachelet fa hampiasaina hitadiavana ireo tompon'andraikitra ny fahefana ara-pitsarana rehetra. Nampiasa saina niaraka tamin'ny marika tsy mila governemanta, nanoratra graffiti nanerana ny Lalana Alameda ary nisarika ny mason'ny fampitam-baovao tany amin'izy ireo ry mpandroba.

Amin'ny fomba fijery lalindalina kokoa, nanoratra i Sociolrock hoe “Tsy mihevitra ny olona iray ho maherifo aho rehefa miafina ao anatin'ny olona izy ireo mba hitoraham-bato, ary mampiasa ny olona ho ampinga . Izany dia maneho amintsika ny fahaverezan'ny fanajana sy ny fahamendrehana manoloana ny olon-kafa ary mampiseho ny tsy fahampian'ny fahaiza-manao eo anivon'ny fandaminana, satria fantatsika fa tsy manana antony ara-politika; fa hetsika tsy nampoizina fotsiny ihany ity herisetra ity . “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.