Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2012

Meksika: Vondrona Mitady Olom-pirenena Tsy Miankina Hirotsaka Hofidiana Ao Amin'ny Kongresy

Ankehitriny, ao Meksika, mila miditra amin'ny antoko politika ianao vao afaka mirotsaka hofidiana ao amin'ny Kongresy. Nentina nandresen-dahatra hatrany fa manome vahana ny kilasy politika mitady ny tombotsoan'ny antokony manokana amin'ny fanaovana ampihimamba ny fahefana izany rafitra izany. Volana vitsivitsy lasa izay, vondrona olom-pirenena no nanosika ny  fanovana  mafonja amin'ny demokrasia Meksikana,...

Kolombia: Sarotra Be Ny Miteny Espaniola Ary Misy Hira Miresaka An'izany

Hira momba ny olana amin'ny fitenenana ny teny Espaniola no mamehy ny marina na ho an'ireo teraka tao anatin'izany ary hatramin'ireo miezaka ny hianatra ilay teny. Am-boninahitra, ireo Kolombiana manoratra tononkira sady mpisehatra, Juan Andrés sy Nicolás dia manazava ny fifanjevoana izay entin'ny fiovaovan'ilay teny isaky ny faritra.

Goatemalà : Ilay Mpanao Jadona Teo Aloha Efrain Rios Montt Nohadihadiana Manokana Mikasika Ny Famonoana Ny Mpiray Tanindrazana

Ny 26 Janoary, Mpitsara iray no namoaka fa ilay Filoha de facto teo aloha Efrain Rios Montt dia hiatrika fitsarana noho ny Famonoana ny mpiray tanindrazana; tamin'io andro io ihany, ny Kaongresy ao Goatemala dia nanao sonia ny "Fifanarahan'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena natao tany Roma", izay manome fanantenana ireo...

Shily: Mizàra Ny Sarin'Ireo Hetsi-panoherana tany Aysén Ireo Mpampiasa Twitter

Nihanahazo hery ny hetsika sosialy iray izay mitaky hatsaràm-piainana bebe kokoa sy fihenan'ny vidim-piainana any amin'ny Faritr'i Aysén any Patagonia Shiliana. Mampiakatra ny sariny ao amin'ny Twitter ireo vahoakan'i Aysén mba hampisehoana ireo hetsika, fanakànana sy fifandonana izay nitranga nandritra ireo andro vitsy.

Bolivia: Mitaky Fanatsarana Ny Fikarakarana Azy Ny Olona Manana Fahasembanana

Efa ho 100 andro izao, nanao diabe niainga avy teny amin'ny lemaka atsinanana hizotra ho any amin'ny Foiben'ny Governemanta, miorina 3600 metatra ambonin'ny ranomasina, ny vondron'olona manana fahasembanana hitaky fanampiana ara-bola 3000 Bolivianos (434 US dollars eo ho eo) isan-taona farafahakeliny.

Porto Riko: Sary 365

Manapika sary iray isan'andro tao anatin'ny roa taona ny mpaka sary José Rodrigo Madera [es], ary anatin'ny tetikasany antsoina hoe "365" izany. Ny namany ao amin'ny Facebook ihany no nahita ny sariny mandra-pamoakan'ny gazety-boky Revista Cruce [es] sary 20 amin'izy ireny ho ankafizin'ny rehetra.

Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka

Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000...

Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina

Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny...

Karaiba: Andron'ny Mpifankatia Izao; Tsapanao Ve Ny Fitiavana?

Ao an-tsainy sy ao am-pon'ny mpamahana bolongana Karaiba ny fitiavana androany; ity topi-maso vetivety hoentin'izy ireo mikasika ny fomba fankalazan'izao tontolo izao izany fitiavana izany – izay eo amin'ny tontolon'ny bilaogy – nivezivezy teny… Mpamahana bolongana ampielezana Jamaikana Grasshopper Eyes The Potomac no mandray izany amin'ny fomba tsotra: Andron'ny Mpifankatia. Na inona fandraisanao ny dikan'izany,...

Brezila: Mipariaka Manerana Izao Tontolo Izao Ny “Pinheirinho Daholo Izahay Rehetra”

[Amin'ny teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra, raha tsy efa misy filazana manokana.] Breziliana maneran-tany, sy olom-pirenena avy amin'ny firenen-tsamihafa, no nifanentana an-tserasera ary nikarakara hetsim-panoherana manerana ny tanàna maro toy ny tao Paris, Madrid, Berlin, Boenos Aires, sy ny maro hafa, ho fanohanana ny fokonolona ao Pinheirinho. Tamin'ny fomba...