Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2009
Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?
Eo ampelatanan'ny Kongresy ankehitriny ny fifanarahana, izay mety ekeny, ny amin'ny hamerenana ny filoha Hôndiorianina Manuel Zelaya eo amin'ny toerany indray fa hifampizarana kosa ny fahefana, ka mety hidika izany fa manomboka hifarana ny krizy.
Repoblika Dominikana: Hetsika fampahalalana ny homamiadana
Volan'ny fisorohana ny homamiadan'ny nono any amin'ny firenena maro ny volana oktobra, fotoana ankalazain'ny vohikala manandaza, fandaharana manokana amin'ny fahitalavitra, famakian-teny, valandresaka ara-medikaly ary ny fizarana boky kely sy trakitra...
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka
Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka...
Arzantina: Lany ny lalàna vaovao hifehy ny Media
Nolanian'ny Loholona Arzantina ny lalàana vaovao hifehy ny media mampiasa haino aman-jery, izay ahitàna fepetra vaovao maromaro momba ny Onjam-peo, ny cable, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra avy amin'ny satelita.
Porto Rico: Vonona ho amin'ilay fitokonana nasionaly
Mivonona ho amin'ny fitokonanana nasionaly hatao amin'ny Alakamisy 15 Oktobra, izay mikendry ny hampikatso ny firenena mandritra ny andro iray i Porto Rico sy ny mpitoraka blaogy ao aminy.
Arzantina: Misaona an'i Mercedes Sosa mpihira
Anankiray tamin'ireo vaovao lehibe tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fahafatesan'ilay mpihira arzantina Mercedes Sosa tamin'ny 04 oktobra, anankiray amin'ireo mpihira manana ny maha izy azy any Amerika Latina. Nambaran'ny...
Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly
Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala...