Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2011
Kiobà: Inona no nambaran'ny telegrama tao La Havane
Amin'ity fizarana farany momba ny WikiLeaks sy i Kioba ity ny mpanoratra Elaine Díaz no mamahavaha ny votoatin'ny voasoratra amin'ny telegrama diplomatika miompana amin'ny fanoherana Kiobana sy ny asan'ny mpamaham-bolongana.
Kioba: “Operation Cyber-Mambí”
Nisy resaka betsaka nandeha ny amin'ny hoe mety hahita làlana ho tonga hatrany Karaiba ve ny fanahin'ny fanoherana niainga avy any Ejipta sy Tonizia. Raha ny fanakatsoana ny tsena anatiny amin'ny resaka fampahalalam-baovao ataon'ny governemantan'i Castro no rindrina manasaraka ny Kiobana tsy faly sy ny fihetsehana, tsy dia nahagaga loatra an'ireo mponin'ny aterineto araka izany ny hetsika natao tsy ela akory izay, mampiasa mpitoraka bilaogy "manohitra-fiovàna" hifanandrina amin'izy ireny.
Video: Ireo fanatanjahantenan'izao tontolo izao sy ireo lalao lalaovin'ny olona
Ireo tehina, ganagana , fatim-biby, soavaly, famelezana sy ny dihy dia samy manana zavatra iombonana: samy singa ampiasaina amin'ireo fanatanjahantenam-pirenena eran-tany izy ireo. Ireo horonantsary androany dia mampiseho antsika sombintsombiny mikasika ireo fanatanjahantena sy lalao izay lalaovin'ny olona any amin'ireo faritra samy hafa eran-tany.
Venezoela: Miakatra ny tranganà Kôlera
Nandritra ny fampakarambady iray natao tany amin'ny Repoblika Dominikana, nisy vondron'olona Venezoelana nahitàna valan'aretina Kôlera taorian'ny fihinanana sakafo voaloton'io aretina io. Raha 13 ireo trangatamin'ny voalohany dia nitombo be izany tao anatin'ny andro vitsy monja; ireo tatitra farany dia miresaka ny olona 135 efa nahazo fitsaboana noho ity Kôlera ity.