Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2019
Iza i Eva Copa, ilay zara raha fantatra nefa nanampy nanokatra ny làlan'i Bolivia ho any amin'ny fifidianana vaovao?
Tsy betsaka no mahafantatra an'i Eva Copa, saingy izy no filoha vaovaon'ny antenimieran-doholona boliviàna. Izy no endrika iray fototra nitondra ny firenena hiroso taorian'ireo hetsipanoherana.
Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana
Aiza no hanombohana azy raha te-hahatakatra ny krizy boliviàna? Soritra vitsivitsy azo zohiana ety anaty aterineto.
Jery todika amin'ireo notantarainay momba an'i Amerika Latina tamin'ny taona 2015
Nanomboka hatramin'ny faha-herintaona nanjavonan'ny mpianatra tao Ayotzinapa ka hatramin'ny lanonam-pisantaran'asan'ny filohan'i Arzantina vaovao, anaovanay tamberina ireo tantara nozarainay tamin'ny taona 2015 momba an'i Amerika Latina.
Iray amin'ireo zavatra vitsivitsy azo antoka amin'ny krizy shiliàna ny aloky ny lasa

Aao anatin'ireo savoritaka ao Shily, misy teboka iray iraisan'ireo avy amin'ny farany havanana sy ireo avy amin'ny farany havia: hoe ity fotoana ity dia mamofompofona toy ny fanonganam-panjakana tamin'ny 1973.
Kôlômbia, nametraka fialàna ny minisitry ny fiarovana noho ireo famborahana momba ny daroka baomba nataon'ny tafika
Niteraka ny hatezeran'ny rehetra sy ny fametrahana fialàn'ny minisitry ny fiarovana ny fahafatesan'ireo tanora valo nandritra ny daroka baomba nataon'ny tafika hikendrena ireo mpanohitra avy amin'ny FARC