Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fiarahaban'ny vehivavy!

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2006)

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Erwin ao amin'ny The Latin Americanist nilaza fa nitondra “fitomboan'ny asa ho an'ny vehivavy, ary koa ny tsy fisian'ny asa tsara ho an'ny vehivavy, ary ny fihanaky ny fanavakavahana ara-poko sy maha-lahy sy vavy” ity taona ity. Nanamarika ny fitomboan'ny vehivavy loham-panjakana manerana an'i Amerika ihany koa izy, anisan'izany i Michelle Bachelet ao Shily, Portia Simpson-Miller ao Jamaika, ary ilay mirotsaka hofidiana Lourdes Flores amin'ny fifidianana ho avy ao Però.

Nanararaotra ny fotoana i Victor Ruiz, izay manoratra avy any Espaina mba hijery ny laharan'ireo bilaogy isan-karazany ary hilaza izay bilaogy be mpampifandray indrindra (ES) izay nosoratan'ireo vehivavy tamin'ny teny Espaniola. Araka ny voalazan'i Alianzo, enina tamin'ireo bilaogy 100 voalohany no nosoratana vehivavy. Raha nomena laharana tamin'ny alalan'ny isan'ny mpitsidika, bilaogera vehivavy roa no ao anatin'ny laharana 40 voalohany. Ao amin'ny bilaogy 100 voalohany ao amin'ny Atalaya 2005, folo no nosoratan'ny vehivavy. Namintina ny lahatsorany tamin'ny antso mitaky amin'ireo vehivavy bilaogera mba hanova ny isa tsy mifandanja izay anjakan'ny bilaogy tsara laharana avy amin'ny lehilahy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy miteny Espaniola i Ruiz.

Vondrona Flickr, 8 de Marzo Día de la Mujer / 8th March Women's Day mankalaza ny andron'ny vehivavy miaraka amin'ny sary vaovao, indrindra avy amin'ny manodidina an'i Amerika Latina sy Espaina.

Bilaogera Shiliana, Roberto Arancibia, tsy miala amin'ny hakanto sy lahatsoratra fohy, nilaza hoe:

Day of the Woman. Even though every day is theirs. When I caught on that they are in charge of everything, from then on I've been happy. Seriously. That's the order of the universe. No need to fight against the current. That's just how it goes.

Some time ago I wrote the same thing here and I continue to feel that way. Although, in reality, now I believe it even more. I continue to think it's useless to try and understand their secret languages, their moments of silence, their desire to talk. They are accomplices in solidarity with each other, but enemies when they feel threatened. Bodies and souls. Judgement and seduction. Minds and heart. Mysteries of the woman, mysteries of the world. 100 lives I have lived loving them yet still I do not understand. And so, a very happy day. To all. To each I owe something.

Andron'ny vehivavy. Na dia azy ireo aza ny isan'andro. Raha nahafantatra aho fa misahana ny zava-drehetra izy ireo, dia faly aho nanomboka teo. Tena matotra. Izany no lamin'izao tontolo izao. Tsy mila miady amin'ny ankehitriny. Izany fotsiny no fandehany.

Fotoana vitsy lasa izay dia nanoratra zavatra mitovy aho ary mbola mahatsapa izany. Na izany aza, raha ny marina dia mino izany bebe kokoa aho ankehitriny. Manohy mieritreritra aho fa tsy ilaina ny miezaka sy mahatakatra ny fiteny tsiambaratelon'izy ireo, ny fotoana fahanginan'izy ireo, ny fanirian'izy ireo hiresaka. Mpiray tsikombakomba amin'ny firaisankina izy ireo, saingy mpifahavalo rehefa mahatsapa ho tandindonin-doza. Vatana sy fanahy. Fitsarana sy fandrokidrokiana. Saina sy fo. Ny misiterin'ny vehivavy, misiterin'izao tontolo izao. Fiainana 100 no niainako tamin'ny fitiavana azy ireo saingy mbola tsy takatro. Ary noho izany, mirary andro mahafinaritra. Ho an'ny rehetra. Ho an'ny tsirairay izay tokony omeko zavatra.

Maria Pastora – avy any Santiago, Shily ihany koa – nizara ny eritreriny momba ny andro sy ny antony tsy hisian'izany ho an'ny lehilahy.

More than once, some guy has asked me why he doesn't have his own “International Day.” According to them, it's unjust that they are not celebrated. To commemorate a day for our feminine gender has its background which – more than historic – is “vindicative.” [“reinvindicatorio” in Spanish]. “To reclaim/restore something which is rightfully theirs” is the first definition by the Real Academia Española of the term “to vindicate. And defined so, with permission of the guys and without encouraging argument, it's a day that corresponds to us.

… since the beginning, men have been celebrated day after day in public as leaders and recognizable figures. Let us celebrate the International Day of Women, the silent work of women behind the scenes, where they receive no applause and from where today we are beginning to understand just how much they deserve this deed.

Imbetsaka, nisy lehilahy nanontany ahy ny antony tsy ananany ny “Andro iraisam-pirenena ho azy”. Araka ny filazan'izy ireo, tsy ara-drariny raha tsy ankalazaina izy ireo (vehivavy). Manana ny antony ny fahatsiarovana ny andro iray ho an'ny maha-vehivavy anay izay – mihoatra noho ny tantara – “fiarovana.” [“reinvindicatorio” amin'ny teny espaniola]. “Mba hitakiana / hamerenana izay azy ireo ara-drariny no famaritana voalohany avy amin'ny Real Academia Española ny amin'ny teny hoe “mba hiarovana.” Ary ny famaritana azy, miaraka amin'ny fahazoan-dalan'ireo lehilahy ary tsy misy fandrisihana fifandirana, andro iray mety aminay izany.

… hatramin'ny voalohany, nankalazaina andro aman'alina ho toy ny mpitarika sy olo-malaza mendri-pankatoavana ny lehilahy. Andao isika hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, ny asa mangina ataon'ny vehivavy ao ambadiky ny sehatra, izay tsy ahazoany tehaka ary manomboka anio dia manomboka mahafantatra isika fa tena mendrika an'izany izy ireo.

Ary farany, nampahafantatra (ES) tetikasa vaovao iray izay nivoaka tamin'ny resadresaka samihafa antserasera tamin'ny Gtalk ireo vehivavy ao ambadiky ny TecnoCHICA. Bilaogy torolàlana amin'ny teny Espaniola ny BlogsMujer.com ary vondrona bilaogera vehivavy akaiky ny BlogHer. Raha ny tokony ho izy, ny lahatsoratra voalohany dia mirary Andro Manerantany ho an'ny Vehivavy ho an'ny rehetra. Patricia Villanueva avy any Mexico City no bilaogera voalohan'ny herinandro tao amin'ny BlogsMujer.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.