Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2010
Costa Rica: Blaogin'ny fahazotoan'komana sy ny fahaiza-nahandro
Mampiseho ny fitiavan'izy ireo manokana ny fikarakarana nahandro ao anatina karazana blaogy maromaro mahasarika ireo mpitoraka blaogy any Costa Rica, feno ireo fomba arahina sy ireo sary. Misarika ny maso sy mampahazoto homana ireo mpamaky blaogy Ireto karazana sakafo mahasalama, mamy, sy efa voafantina ireto. Miainga amin'ireo efa mpahandro mankany amin'ireo mpitoraka blaogy tsotra liana amin'ny sakafo ireo mpitoraka blzogy manoratra mikasika izany, izay tsy mikasa ny hampiseho ireo fomba fanaovana sakafo ihany, fa mandrisika ihany koa ireo mpamaky hizatra hanao sakafo.
Kolombia: Ny Arepas, fomba fanao isaky ny tolakandro
Any Kolombia, ny fotoana eo anelanelan'ny amin'ny 3 sy 6 ora hariva dia matetika natokana ho an'ny kafe na sôkôla mafana miaraka amin'ny arepa na mofo hafa namboarina. Efa zary lasa fomba amam-panao ifandovan'ireo taranaka mifandimby izany.
Repoblika Dominikana: nandresy tamin’ny Carribean Series ny Leones
Taorian’ny "baseball" fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany.
Brezila: Ny tontolon'ny fitorahana blaogy mankasitraka ny tolo-dalàna iadiana amin'ny kolikoly
Mandady toy ny trambo any Brezila ny tolo-dalàna manakana ny firotsahan-kofidian'ireo mpanao politika nahavanona heloka be, miaraka amina sonia manodidina ny 2 tapitrisa anatina fanangonan-tsonia iray.
Lahatsary: Lalao Amerikana Tatsimo any Medellin, Colombia
Nandritra ny roa herinandro izay no renivohitry ny lanonana sy ny lalao fanatanjahantena isankarazany ny any Medellin, Colombia noho ny fandraisan'ity tanàna ity ny Lalao Amerikana tatsimo fahasivy (ODESUR) ifaninanan'ny firenena Amerikana Latina sy handrombahana medaily amin'ny taranja isan-karazany. Miala amin'ny mahazatra kely na ny tompontany na ny vahiny hizaha toerana maro samihafa sy hijery lalao.
Costa Rica: Fanadihadiana ny fifandraisan'ny Fiangonana sy ny fanjakana
Saripikan'ny Radio Rover ary ambanin'ny fanomezan-dalana CC. Milamindamin-dratsy ao anatin'ny rivon-drivodoza ny EKAR tao anatin'ny tapa-bolana noho ny fiampangana fametavetana zaza tsy ampy taona ataon'ny pretra avy ao amin'ny fiangonany...