Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2007

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2007

30 Novambra 2007

Brezila : Manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa

Mba vangio kely ny blaogin'i Lou Gold raha sitrakareo ny hahafantatra momba ny tantara mahatsikaiky, mikasika izay fomba nanatsaran'ireo foko tranainy any Brezila ny tany mavo sy ngazana ho tany mainty sy tena mahavokatra tokoa izay mampiharihary fa misy fomba fitrandraka hafa izay manavotra ny reniala sady ahafahana mamahana olona bebe kokoa ?...

27 Novambra 2007

Brezila : Herisetra atao ny vehivavy

Ny mpiblaogy Marcelo Tas any Brezila dia mampitaha raharaha roa mikasika herisetra izay nosedraina vehivavy monina amin'ny faritra roa samihafa sady mifanalavitra eto an-tany. Tany Abaetetuba, any Brezila, nisy tovovavy iray voasazy ka nampiraisina efitrano figadrana tamina 20 lahy. Ny voka-dratsin'izany [fanapahan-kevitra izany] dia ny fanolanan'ireo mpiray efitrano azy im-betsaka nifanesy. Tany Arabia Saodìta indray, nisy...

25 Novambra 2007

Haïty : Tsena vaovao manara-penitra ao Port-au-Prince

Ny blaogy Collectif-haiti-de-provence dia manoratra momba ny Tsena Vaovao izay haorina any Port-au-Prince, izay vokatry ny fiaraha-miasan'i Haity sy Venezoelà : « Le Centre-Ville, précisément la Croix-des-Bossales où se sont installés plusieurs milliers de marchands, sera doté dans six mois d'un marché public moderne. […] Financés par le gouvernement haitien...

23 Novambra 2007

Vondronosy Karaiba: Ny Fanehoam-pankasitrahana

Dia mitohy ihany ny fitantarana ireo fomba aman-danonana manerantany. Ao anatiny indrindra ny any Etazonia amin’izao fotoana izao. Dia resaka momba ny fomba avy any indray no resahintsika na dia ny any amin’ny nosy manodidina aza no ho tantaraina etoana. Mety hoe fialantsasatra mahazatra ny Amerikana Tavaratra ny Thanksgiving (androm-panehoam-pankasitrahana)...

22 Novambra 2007

Bolivia: tamin'ny fetin'ny Olomasina rehetra

Tsy hoe efa ho iray volana lasa izay ity no nitranga dia avela any fa misy kosa ny ampitahana izay voambara manaraka eto amin’ny fomban-drazantsika Malagasy. Vao avy nankalaza ny fialantsasatry ny Todos Santos, fetin’ny Olo-masina rehetra, i Bolivia. Misy fomban-drazana ao an-toerana moa nasisika tamin’ity fankalazana lehibe ity. Fianakaviambe...

20 Novambra 2007

Fanjakana Mitambatra (UK) : Omeo rariny itompokolahy Jean Charles de Menezes

Ny mpiblaogy Joty dia mitatitra fa hivory ny Alakamisy 22 Novambra 2007 izao ny Sampandraharaha mikasika ny Polisy an-tanan-dehibe Anglisy [MPA | Metropolitan Police Authority] handray fanapahan-kevitra momba izay hanamelohana na tsia an'i Ian Blair, Polisy Anglisy nitifitra an-doha sy namono an'i Jean Charles de Menezes, tsy manan-keloka Breziliana, tamin'ny taona 2005  :...

19 Novambra 2007

Brezila : Ilana fanavaozana ny fiheverana ny fanavaozana

Ny mpiblaogy Nivaldo Simões monina any Brezila dia mampiharihary izay lesoka goavana amin'ny fiheverana ny fanavaozana [recyclage | recycling] araky ny fahita any Brezila sy any amin'ireo firenena mandroso rehetra ankehitriny, ny ady amin'ny fitombon'ny fako no tokony ho voalohany raha tsy izany dia maro kokoa ireo olana noho izay...

18 Novambra 2007

Brezila : Tsy misy Aterineto efa ho 95 ora, 43 min, 17 sek, dia mbola mitohy …

I Gabriela Zago izay voatery miblaogy avy any amin'ny Cyber any Brezila nanomboka tamin'ny Talata nohon'ny fahatapahan'ny tambanjotra Aterineto tao an-tranony, dia mitantara fa ny tolotry ny orinasa Brasil Telecom dia vao mainka miha-ratsy : « Pelo telefone, informaram que os fios de conexão haviam sido furtados, mas que o...

12 Novambra 2007

Ekoatera : I Correa no mamihoditra indrindra any Amerika Atsimo

Ny mpiblaogy Cronica Cero [Espagnôla] monina any Ekoatera dia mitatitra ny fitsampan-kevim-bahoaka izay notanterahina manerana an'i Amerika Atsimo ary nahitana fa ny Ekoaterana Rafael Correa no filoham-pirenena mamihoditra indrindra : « Rafael Correa   72% [Ekoatera] Néstor Kirchner  71% [Arzantina] Álvaro Uribe        66% [Kôlômbia] Felipe Calderón  66% [Meksikô]...

Shily : Teti-panorona hoan'ny OLPC

Ny mpiblaogy Luis Ramirez izay mambran'ny OLPC any Shily dia mitantara ao amin'ny blaogy One Laptop Per Child News [Solosaina Iray Isan'Ankizy] izay teti-panorona kasaina apetraka mba hatrany ny tanjony dia ny : « achieve free and permanent access to computers for at least 1 million Chilean children living in...