Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2020
Kolombia: Fetiben'ny zavakanto, tononkalo ary voninkazo tany Medellín
Nanoratra momba ny famaranana ny Fetiben'ny Zavakanto MDE07 ireo bilaogera kolombiana, hetsika iray miezaka ny hamerina ny zavakanto maoderina ho amin'ny fifanakalozan-kevitra ao an-toerana sy hamerina izany ho an'ny fiainana andavan'andron'ny olompirenena. Niresaka momba ny fetiben'ny Tononkalo Iraisampirenena sy ny Foaran'ny Voninkazo ihany koa izy ireo.
Nahazo ny lokan'ny Printsin'i Asturias tany Espaina i Quino ilay mpanao tantara an-tsary ‘Mafalda’
Ilay mpanao sariitatra Arzantiniana fanta-daza 81 [2014] taona no ilay lehilahy ao ambadiky ny zazavavy kely Mafalda idealista nefa mahita ny lafy ratsin-javatra.
Venezoela: Mitantara ny tantaran'ny firenena amin'ny alàlan'ny sarimihetsika
Nahavita nampiseho ny tantaran'ny firenena sy nampifanaraka ny sanganasan'ny literatiora malaza tamin'ny alàlan'ny sarimihetsika izay nankasitrahan'ny besinimaro ny vondrona tanora mpanatontosa sarimihetsika Venezoeliainna. Heverina ho tena maherisetra ireo sarimihetsika Venezoelianina maro tany aloha ary maneho ny fahaiza-mamorona vaovao ny fipoiran'ity karazana sarimihetsika vaovao ity.