Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2017
Brezila: Topimaso An-tsarin'ny Campus Party Tao Brezila
Nifarana ny Alahady teo ny Campus Party taona 2009 tao São Paulo. Mihoatra ny 6.500 ny olona nandray anjara tamin'ity andiany faharoa ity izay azo lazaina fa hetsika lehibe indrindra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika ao Amerika Latina. Ho hitanao ato ny sasany amin'ireo sary mahaliana indrindra.
Nikaragoà: Ny Takaitra Navelan'ny Horohorontanin'ny Taona 1972
Tamin'ny 23 Desambra 1972, namely an'i Managoa, Nikaragoà ny horohorontany mahery vaika amin'ny maridrefy 6.2, namono olona 5.000, sy maratra 20.000, ary tsy manan-kialofana 250.000. Ankizy tamin'izany fotoana izany ilay bilaogera Nikaragoàna, Homero, saingy manana ny fahatsiarovana ireo voka-dratsiny, izay nosokajiany tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny bilaoginy.
Pôrtô Rikô: Kolikoly Mameno Ny Departemantan'ny Polisy
Nisambotra olona 133 tao Pôrtô Rikô ny Birao Federaly mpanao Fanadihadiana (FBI), ka polisy ny 89 tamin'ireo, tao anatin'ilay antsoin'ny Departemantan'ny Fitsaràna Amerikana hoe "ny fanadihadiana goavana indrindra tamin'ny resaka kolikolin'ny polisy teo amin'ny tantaran'ny FBI".. Maneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy.
Meksika: Ny “Kristalin'ny Lasapely Sixtine”
Ahitana kristaly goavam-be fantatra amin'ny anarana hoe "Volana Vato" ny "Lavabato Kristaly" ao an-tanàndehiben'i Naica ao Meksika. Toerana mahafaty ho an'ny fitsidihan'ny olombelona ny lavabato, fa amin'ny alalan'ireo bilaogera amin'ny aterineto kosa no hizarana ny tantara ao ambadiky ity lavabato misitery ity.
Ny Zavakanto Shiliana Amin'ny Alàlan'ny Bilaogy
Nahita ny fomba hampidirana ny asany ao Shily sy any amin'ny tsena vaovao tamin'ny alàlan'ny bilaogy ireo mpanakanto Shiliana. Bilaogy iray manana ny fifantenana ny mpanakanto Shiliana maoderina ny Bitacora del Artista (ES)...
Open Video: Fifampiresahana Wireside Maneran-tany Miaraka Amin'i Lawrence Lessig
Ahoana ny fisera amin'ny antonony, ahoana ny ampifanarahana ny fizakàmanana amin'ny vanim-potoana nomerika, ary ahoana ny ampivelarana malalaka ny fanehoan-kevitra, ny fampianarana, ny fampifangaroana sy ny fikarohana amin'ny lahatsary?
Manana Mpandresy Ny Fifaninanana Lahatsary An-tserasera Momba Ny Mpanjifa Tompon'andraikitra
Lahatsary Kolombiana fohy no voafidy ho mpandresy tamin'ireo tafakatra famaranana iraisam-pirenena miisa 10 tamin'ny fifaninanana horonantsary fohy an-tserasera iraisam-pirenena faha-4 amin'ny Kolontsain'ny Mpanjifa Tompon'andraikitra. Hoan'ny mpifaninana amin'ny teny Espaniola mpamokatra horonantsary fohy avy ao Espaina sy Amerika Latina ny fifaninanana izay karakarain'ny ECODES sy ny Fitantanana Jeneralin'ny Fanjifana Governemantan'i Aragon.
Goatemalà: Mifarimbona Amin'ny Famoahana Boky TRANS 2.0
Ho fankalazana ny Andro Manerantany ho an'ny Boky, nangataka tamin'ireo mpamaky sy ny namany miisa 50 ilay mpanoratra Goatemalteka sady bilaogera Julio Serrano [es] mba hamoaka ny fizarana samihafa amin'ny bokiny TRANS 2.0 ao amin'ny bilaogin'izy ireo.
Kôlômbia: Ny Famindràna Toerana Ny Mponin'i Ituango
Tery eo anelanelan'ireo mpiady anaty akata sy ireo vodrrona mitampidiana ivelan'ny tafika, voatery nandao ny taniny ary nikaroka fialofna atany an-tanàndehibe ireo olona miaina any amin'ny manodidina ilay tanàna kôlômbiana, ao Ituango. Ireo bilaogera no manoritsoritra ny toedraharaha.
Meksika: Mpampiasa Twitter Nalaina Am-bavany Noho Ny Bitsika Nahabe Resaka
Nampanantsoina ny Meksikàna iray mpampiasa Twitter amin'ny solonanarana @mareoflores mba hanazava bitsika iray nalefany talohan'ny loza nanjo ny angidimby nitondra ny Sekreteran'ny Atitany tao Meksika, bitsika toy ny efa 'naminany' ny fahafatesany. Mitatitra ireo fanehoankevitra voalohany tao amin'ny Twitter i Miguel Angel Guevara.