Tantara mikasika ny Panamà

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

30 Novambra 2018

Panama: Ny Vondron'ny Indizena Kuna Sy Ny Fampiasàna Ny Teknolojia

Zara raha tafiditra amin'ny aterineto sy ireo teknolojia hafa ny vondrona indizena Kuna any Panama. Avy amin'ny foko Kuna i Gilberto Alemancia, sady mpaka sary sy mpitarika mpizaha tany ampy traikefa. Nitarika ny atrikasa momba ny teknika fipihana sary amin'ny fakàntsary niomerika tamin'ireo ankizy any amin'ny faritra lavitra andriana ao amin'ny firenena izy tamin'ny fitsangatsanganana sasany. Nanam-potoana niresadresahana tamin'i Alemancia momba ny hafanàm-pony i Melissa De León.

22 Oktobra 2018

Panama: Zavatra mahavariana eny amin'ny lalambe

Indraindray rehefa mandeha fiara amin'ny làlan'i Panama dia mahita zavatra hafahafa tokoa. Raha tsy nisaraka tamin'ny fakantsary teny an-tanana i CaDs  dia nahazo ny sarin'ny lehilahy iray natory tamin'irony 'hamac' (fatoriana mitsingevana) irony taorian'ny kamiao iray am-pandehanana izy.

21 Jolay 2018

Ireo Karazan-Tsakafo Sasany Avy Any Amerika Latina

Mitondra antsika hamantatra ireo sakafo mafilotra manerana ny tontolon'ny fandrahoan-tsakafo any Amerika Latinina i Chef Melissa ao anatin'ireo antsoina hoe "fitafiana maloto" any Kiobà mankany amin'ny guarapo de piña ao Venezuela; miainga amin'ny vokatra organika any Orogoay hatrany amin'ny 'tri-tip'mafilotra any Arzantina sy ny fromazy matsiro any Panama.

19 Desambra 2017