Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2018
Mpanolotsaina monisipaly sady mpitarika amin'ny fiarovana ny zon'olombelona novonoina tao afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro
Nofidin'ny Antoko Sosialista sy Fahalalahana (PSOL) amin'ny maha-mpanolotsaina fahadimy be mpifidy indrindra ao Rio de Janeiro i Marielle Franco tamin'ny 2016, renivohitra faharoan'i Brezila ary misy mponina maherin'ny enina tapitrisa. Azo heverina ho famonoana ivelan'ny fitsarana ny famonoana azy.
Niteraka fahatezerana tao Meksika ny namonoana mpianatra telo ho mpanatontosa sarimihetsika
Fahatezerana taorian'ny filazana herisetra sy famonoana nihatra tamin'ny tanora, ary mpianatra mpanatontosa sarimihetsika tamin'ity indray mitoraka ity.
Ny herinandro tao amin'ny bilaogy boliviana
Afaka mampahatsiahy antsika ny olana mahazo ny hafa ny bilaogy. Satria maro amin'ireo Boliviana bilaogera no manoratra avy amin'ny toerana samihafa manerana izao tontolo izao, dia azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiseho ny zavatra iainan'ireo Boliviana hafa, izay miezaka ny manao izany any amin'ny tany lavitry ny tanindrazana.
#SOSNicaragua: Mpanao fihetsiketsehana 25 sy mpanao gazety iray farafahakeliny no namoy ny ainy tao Nikaragoà, hoy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona
Mandefa mivantana, misioka sy mandefa bilaogy an-dahatsary momba ny krizy eny ifotony ny Nikaragoàna.
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 16-22 avrily 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 16 ka hatramin'ny 22 Febroary 2018, ny momba an'i Taiwan no tantara malaza indrindra tao amin'ny tranonkala amin'ny teny Indoneziana. Ary ny an'ny tranonkala amin'ny teny Poloney ? Ny tantara iray momba an'i Meksika.
Ulises Padrón: “Ao Amin'ny Fiarahamonina [Kiobàna], Mihamiseho Ny Olona sy ny Vondrona LGBTQI”
"...[Na dia] ankasitrahan'ny firenena...karazan-jo manan-danja maro (ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny kolontsaina, ny asa) misy zavatra hafa izay tsy mandeha amin'izay laoniny anefa ao amin'ny firenena sy ao amin'ny faritra."
Ny taona voalohany nitondran'i Bachelet tamin'ny naha-Filohan'i Shily azy
Raha oharina tamin'ny fitantanan-draharaha teo aloha, dia nihena ny tahan'ny tsy fananan'asa nandritra ny taona voalohany nitondran'i Bachelet ary nitombo ny fampiasam-bola tamin'ny fahasalamana, ny fonenana ary ny fampianarana. Notohanany ihany koa ny lalàna momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy....
Inona no novakian'ny mpamakin'ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018?
nandritra ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018, nahatratra mpamaky avy amin'ny firenena 211 ny tantara sy ny fandikanteny tato aminay. laharana faha-95 ao amin'ny lisitra? Azerbaijan. Ary ny laharana faha-154? Niger.
Paragoay: Mampiely ny teny Guaraní amin'ny alalan'ny bilaogy
Any Paragoay, izay afaka miditra aterineto ny 3% -n'ny mponina ary 88%n'ny mponina no mampiasa ny fiteny indizeny ao Guaraní, fitem-pirenena ofisialy ihany koa, nahita fahafahana iray tsy mbola nisy nanao i Mirta Martínez, mpanao gazety sady mpampianatra Guaraní, izy no lasa bilaogera voalohany sady tokana manoratra amin'ny teny Guarani
Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA
Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.