· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2008

Borazila: Niala tsy ho minisitry ny kolontsaina

  31 Jolay 2008

Maro ny bolongana no nitatitra fa nandao ny toerana mahaminisitry ny kolontsaina azy, deparitemanta nentiny hatrmin'ny 2003, i  Gilberto Gil . Mieritreritra ny hanao laharam-pahamehana ny asa mahampihira azy indray izy.

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio

  29 Jolay 2008

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho...

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

  28 Jolay 2008

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika, avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azon'ny mpametraka angôvon-taratra nokileary Breziliana trandrahina ilay mpamerin-kery (réacteur) efa nampiady hevitra Angra 3 , nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena.

Costa Rica: Fokonolona Indizeny an-gazety

  26 Jolay 2008

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”

Rosia: Toby miaramila rosiana any Venezoalà?

  23 Jolay 2008

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.

Birezila: Nanasonia ny fifanarahana momba ny teny paorotigey i Paoritigaly

  22 Jolay 2008

Nanasonia ny fifanarahana handravonana ny teny Paorotigey sy ny fanononana azy mba hitovy eo amin'ny firenena 8 miteny azy ny filoha Paorotigey Anibal Cavaco Silva. O Hermenauta [pt] no nitsiditsidika nijery ny hevitra niposaka voalohany avy eny andafy atsimo sy andafy avaratra ary namintina avy eo fa mbola tsy mampifanaraka ilay...

Brezila: Fitakiana Hanadihadiana ny Fitsarana Tampony Breziliana

  19 Jolay 2008

Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . “Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity”. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity...

Bolivia: Ilaharana ny fanafody

  12 Jolay 2008

Dora Romero ao amin'ny Las Ideas Son Primero [es] no nanamarika ny fisian'ny filaharana manoloana ny fivarotam-panafody ao an-tanànan'i El Alto, Bolivia. Manontany tena izy raha marary vokatry ny hatsiaka ny ankamaroan'ny olona na noho ny fahazarana mihinam-panafody fotsiny amin'izao halavana filaharana izao.

Brezila : Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta (tsy) Am-pitanjahana

  09 Jolay 2008

Noraràna ny fitanjahana tamin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta Am-pitanjahana na “World Naked Bike Ride” (WNBR), any São Paulo, tany Brezila : De acordo com o tenente da PM que estava cuidando da manifestação, a ordem era prender quem exibisse a genitália. Ou seja, protesto tudo bem… mas pelado não… Engraçado como...