Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2020

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2020

Venezoeliàna miisa 34.000 atosiky ny valanaretina hifindra monina ao amin'ny taniny ihany

500 isanandro ireo mpifindra monina tonga ao Cúcuta , tanàna iray an-tsisintany, mihevitra ny hody any Venezoelà. Tamin'ny 15 Aprily, 34.000 no fitambaran'ireo olona nandingana ny sisintany nandalo tao amin'ilay tanàna.

Nitaraina ilay vehivavy mpikambana ao amin'ny Kongresy Hondiorana fa nosakanana tamin'ny fivoriana virtoaly izy

Ao anatin'ny fotoanan'ny COVID-19 sy ny fihibohana, mety hanimba ny dingana ara-demokratika amin'ny alalan'ny tsy fahombiazana tsotra izao na ny teti-dratsy ny fampiasana ny teknolojia izay manolo ny fivoriana hifanatrehan'ny olona.

Vehivavy maka habaka iray nandritry ny fetibe Oruro tao Bôlivia

Voahilika hatry ny ela tsy ho afaka mandray anjara amin'ny fetibe, takian'ireo vehivavy sy ireo olona tsy an'ny atsy na ny aroa ny toeran-dry zareo.

Vehivavy mijanona an-trano ao Arzantina nanao fihetsiketsehana avy eny am-baravarakely noho ny firongatry ny famonoana vehivavy

Nitombo 60 isanjato ny antso vonjy an-telefaonina hatramin'ny nanombohan'ny tsy maintsy hihobohana tamin'ny 20 Martsa.