Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Aogositra, 2021
Lalao Olaimpika: COVID-19 vao mainka nanalalina ny hantsana eo amin'i Amerika Latina sy ireo firenena manankarena
Hatry ny ela ny Lalao Olaimpika no efa sehatra iray fifanandrinam-pirenena. Noporofoin'ireo Lalao ao Tokyo ny fiantraikan'ny valanaretina sy ny krizy ara-toekarena tamin'i Amerika Latina
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan'ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô
Lazain'ireo mpitsikera ny dobo filomanosana iray rava nandritra ny tafiotra mahery Maria tamin'ny 2017 fa ho averina haorina indray izy io, na mifanipaka amin'ny fepetra mifehy ny ara-tontolo iainana ao Pôrtô Rikô aza.
LIVE amin'ny 25 Aogositra (amin'ny teny espaniola): Ahoana ny nampielezan'ny COVID-19 ny hetsi-panoherana any Cuba, Guatemala ary Colombia
Hatrany Cuba ka hatrany Colombia sy Guatemala—firenena samy manana ny toe-draharaha politikany—nidina an-dalambe tao ho ao ny vahoaka mitaky fiovana. Inona ny zavatra iraisan'ireo firenena ireo?
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.
Vehivavy ao Shily nahatsangana vondrom-piarahamonina mahomby amin'ny alalan'ny radio
"Maro ireo mihevitra fa maty ny ham radio noho ny aterineto, saingy tsy izay no izy."