· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2018

Sary Avy Ao Arzantina: Vaingan-dranomandry Perito Moreno

Tao anatin'ny vaovao iraisam-pirenena vao haingana ny Perito Moreno Glacier ao Arzantina satria voaresaka tamin'ny fiakaran'ny maripàna manerantany. Mahavariana fa iray amin'ireo vaingan-dranomandry  Patagonianina telo izay tsy miala mihitsy manoloana ny fiakaran'ny maripàna ny Perito Moreno

31 Janoary 2018

Iharan'ny Fandrahonana Ny Tambajotra Finday Voalohany Ho An'ny Vondrom-piarahamonina Tompotany Ao Meksika

Rising Voices

Io no hany tolotra fifandraisandavitra tokana izay hananan'ny vondrom-piarahamonina, tsy taonga tany amin'izy ireo ny tambajotra ara-tantara, tsy nanana tolotra izy ireo, tsy nahatratra azy ireo ny tambajotra, mino izahay fa tokony ao anaty lalàna ny fanafoanana ny fandoavam-bola mazava tsara ho an'ity karazana mpandraharaha ity .

29 Janoary 2018

Ireo Mpanoratra Any Goatemala

Ao Goatemala, mahita ny ankamaroan'ireo mpanoratra fa tena sarotra ny mamoaka boky, ary mbola sarotra kokoa aza ny manao izany hahazoana tombony. Miasa ho mpanao gazety, mpandalina, injeniera izy ireo matetika. Vitsy amin'izy ireo no tena manokana ny tontolo androny amin'ny fanoratana, ary ny ankamaroany dia tsy fantatra ao an-toerana.

25 Janoary 2018

Fahanginana sy ny Rariny Ao Caracas

Mazava ho azy fa ny tantara goavana manerana ny kaontinanta dia ny fahalanian'i Hugo Chávez indray ao Venezoela tamin'ny vato 60%. (Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

24 Janoary 2018

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

24 Janoary 2018

Ilay Vehivavy Voalohany Voafidy Ho Filoha Tao Shily

Nandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Shily i Michelle Bachelet , fiarahan'ny elatra afovoany ankavia, nahazo vato 53,49% izy niohatra tamin'ilay kandida mpifaninana taminy, ilay mpandraharaha Sebastian Piñera izay nahazo vato 46,50% avy amin'ny elatra afovoany ankavanana araka ny vokatra ofisialy

23 Janoary 2018

Shily: OLPC sy ny Politika 2.0

Tena gaga ireo bilaogera Shiliana hatramin'izao amin'ilay solosaina finday 100 dolara Amerikana, OLPC. Saingy ahoana no hahatongavan'ny fitaovana vaovao, natao hamenoana ny hantsana nomerika any Shily? Inona no idiran'ny solosaina finday amin'ny politika?

23 Janoary 2018