Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2012
Panama: Nitodika Tamin'ny Vahoaka ny Filoha Martinelli Rehefa Nofoanana ny Lalàna 72
Niezaka nanakatona ny herinandro izay namoizan'ain'olona efatra ny filohan'i Panama, Ricardo Martinelli omaly. Nanao kabary fampihavanana izy izay manasa ireo vahoaka mba hitady fihavanana taorian'ny fifandonana tao Colon nandritra ny hetsi-panoherana ny...
Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac
Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona sasany tsy maintsy nasaina niala teo amin'ny tranony.
Venezoelà: Sioka sy Tenifototra nandritra ny androm-pifidianana
Raha asaina misafidy tambajotran-tserasera tiany indrindra ny Venezoelana, ny heverina ho aliny indrindra dia ny Twitter. Satria, io no be mpisera indrindra nifaresahana indrindra tamin'ny fifidianana alahady 7 Oktobra 2012. Amin'ireo tenifototra...
Kolombia: Mpanao Gazety Voaraoka Fa Namoaka Lahatsoratra Momba Ilay Orinasan-Tsolika
Noroahina avy tao amin'ny habaka an-tserasera Kien&Ke ny mpanao gazety kolombiana Daniel Pardo taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny faneren'ny orinasan-tsolika Kanadiana Pacific Rubiales amin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny W Radio. Maro ny mpiserasera no nitovy hevitra fa famelezana ny fahalalahan'ny mpampahalala vaovao izao fandroahana izao.
Porto Rico: Fomba Hafa Iandrandràna
Namoaka sarim-piaramanidina ao amin'ny kaontiny Instagram efa nihoatra ny enim-bolana izao ilay artista an-dalambe sady mpaka sary Porto Rikana Enrique Arce, izay fantatra amin'ny maha Aslan azy, (@ASLANTWIT) ary ao anatin'ny andiany "#parriba" (fiandrandràna) no hanaovany izany
Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana
Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012. Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto...
Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany
Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i...
Nanatanteraka ny diabe fanao isan-taona ho an'ny Tompon'ny Fahagagana i Pero
Every year during October, Lima (Peru's capital city) shows its devotion to the Lord of the Miracles. Here's a brief summary of the history behind this huge Peruvian religious event, and a taste of how citizens have been commenting and covering the processions through citizen media.
Pôrtô Riko: Mirehareha Amin'ny Maha-Pelaka Azy ny Mpanao Ady Totohondry Orlando Cruz
Novakian'ny mpanao ady totohondry Pôrtôrikana Orlando "The Phenomenon" Cruz ny fahitana ny ankapoben'ny tontolo haiady tamin'ny fanambarana vao haingana nataony mikasika ny fironany ara-pananahana.
Manohy Ny Diany Ho Any Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany 2014 i Panamà, i Honduras ary i Costa Rica
Tafakatra amin'ny dingana famaranana ao amin'ny Concacaf i Panama, i Honduras ary i Costa Rica, fifanintsanana hankanesana any amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIFA 2014 any Brezila. Ireo mpitia baolina kitra dia niady hevitra tamin'ny tambajotra sosialy samy hafa momba ireo lalao fifnanintsanana nahafinaritra.