Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2015
Brezila : Vokatry Ny Asa Ataon'ny Banky Iraisam-pirenena, Tsy Mahazo Rano Fisotro ireo Vondrom-piarahamonina Ao Sertão de Ceará (Ampahany 1)
Nafindra toerana tsy narahana fampiharana izay fepetra sy zo nofaritan'ny fitsipik'ilay fikambanana iraisam-pirenena akory ireo mponina voadona tamin'ny asa fanorenana ireo tohodrano novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Fanadihadian'ny Agência Pública.
Mandehana Ao Ambadiky Ny Sehatra Miaraka Amin'i Chumel Torres, Valintenin'i Meksika Ho An'i John Oliver
Tsy mitsahatra ny mitombo be ny fijerena azy amin'ny fitarihana ireo tanora Meksikana, mosarenan'ny fitadiavana fitsaharana kely amin'ireo vaovao misy hanihany kely.
Hitan'ny Fanadihadiana Fa Maro Kokoa ny Eoropena Mifindra any Amerika Latinina Noho ny Mifanohitra Amin'izany
Asehon'ny tahirin-kevitra fa mihoatra ny 181.000 ny Eoropeana nandao ny fireneny tamin'ny 2012, raha ampitahaina amin'ny Amerikana Latinina 119.000 mandeha any Eoropa.
Noana Sady An-dàlana Ho Any An-tanànan'i Meksika? Mivingita ‘Harona Tacos ‘
Avy ao Meksika mankany amin'izao tontolo izao: "tacos de canasta" na "harona tacos". Na dia tsy ho ny tsiro tsara indrindra azza, matsiro tokoa ry zareo. Andeha isika hanopi-maso ny fikarakarana sy ny fitsinjaràn-dry zareo azy.
Mifandrirotra Amin'ny Saina Kônfedere ny Fanjakan'i Etazonia, Manofahofa Izany Amim-Pireharehana ny Tanàna Iray any Brezila
Taorian'ny fahavitan'ny Ady an-trano Amerikana tamin'ny 1865, nandositra nankany Brezila ny mpikambana ao amin'ny konfederasiona. Mbola monina ao amin'ny faritra ihany ny [taranany] ary manofahofa ny saina kônfedere.
Fandrosoana Mahafinaritra Vitan'ny Matildas Tafakatra Ampahaefadalana Mondialy Vehivavy: Aostralia 1 Brezila 0
Nahaankona tokoa ny zavabitan'ny Matildas Aostraliana nandresy an'i Brezila (1-0) ka nahatrarany ny ampahaefadalana amin'ny Mondialy vehivavy tontosaina any Canada.
Gazety-Boky ‘Cholita’ Hoan'ny Vehivavy Teratany Malaza ao Bolivia
".. izao angamba ny fotoana hanovan-javatra mba hahatonga ny vehivavy hanana ny fahefana."
Fetibe Vaovaon'ny Filma sy Radio ao Amerika Afovoany Miresaka ny Tolona Ataon'ny Vazimba Teratany
Nanomboka tamin'ny 10 jona tao Oaxaca ny Fetibe voalohan'ny Filma sy Radiom-Piarahamonina aoAmerika Afovoany ary hitohy any amin'ny firenena hafa maro ao amin'ny faritra amin'ny faraparan'ity volana jona ity.
Talohan'ny Fifidianana Ao Meksika, Tovovavy Indizeny Iray Mangataka Ny Tsy Hanginana Manoloana Ireo Fahafatesana sy Fanjavonana
Nanakoako manerana ny media sosialy ny fitsikerana ny antson'i Rigoberta Menchú's, nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana mba handatsa-bato.
Elaine Diaz, Mpampianatra Fanaovan-gazety: Mitsapa Ny Fetran'ny Fahalalahan'ny Media Any Kiobà Ao Anaty Fiovàna Malaky Be
Mandrara ny hisian'ny media tsy miankina ny lalàm-panorenan' Kiobà. Fa vonona ny hiady, hanandrana ny hampihemotra ireo famerana ireo i Elaine Diaz, mpampianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Havana sady mpanoratra ao amin'ny GV