Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Septambra, 2017

29 Septambra 2017

Creative Commons Meksika

Vao manomboka izao minitra izao, manomboka ao Mexico City ny Creative Commons Mexico.

27 Septambra 2017

Mampiasa Ny Aterineto Ny Tompotany Mpiangaly Rap Avy Any Brezila Mba Hitondrany Ny Hafany Ho An'ny Vahoaka

Rising Voices

"Mahery ny lahateniko ary miaraka amiko / miteny ny marina aho, tsy te-hitovy aminao aho / mihira momba ireo olana samihafa aho ary izany no asehoko / Ny feon'ny mponina indizeny no feon'ny ankehitriny"

Orinasa Iray Manana Fifandraisana Amin'ny Minisitra Paragoainina no Mitarika Ny Fandripahana Ala Ao Amin'ny Faritra Chaco

Ny faritr'i Chaco, izay mipaka any amin'ny faritra Paragoay, Brezila sy Arzantina, dia manana taha ambony indrindra amin'ny fandoroana ala , ateraky ny fitrandrahana ala hamokarana saribao sy hampiroboroboana tanim-bilona ho an'ny fiompiana.

Blaogy Amerika Latina Tsara Indrindra: The Cooking Diva

"Navoaka androany ireo mpandresy tamin'ity taona ity ary faly isika manambara fa ny Cooking Diva, weblog manokan'ilay mpikambana ato amin'ny Global Voices, no voafantina ho "Weblog Amerikana Latina Tsara Indrindra."

26 Septambra 2017

Krizin-tsolika Ao Shily: Vinavina Momba Ny Solika biôlôjika (Biôsfera)

Nampihena ny fatran'ny solitany tao Shily ny mari-pàna mangatsiaka tao Arzantina tamin'ity herinandro ity. Na dia nanambara aza ny governemanta Arzantina fa hahazo ny famatsiana ny solitanin'izy ireo tsy tapaka ny Shiliana, mitady vahaolana hafa momba ny angovo ny Shiliana mba hiantohana ny famatsiana angovo ho an'ny firenena.

Anatin'ny Ady Ve Rio de Janeiro? Miady Hevitra ny Mponina Ao Aminy

Nanapaka hevitra ny hamorona 'pejin'ny ady' ny gazety iray mba handrakofana ny fitombon'ny isa sy ny tranganà herisetra ao Rio. Nampametra-panontaniana io fanapahankevitra io raha toa ka mahasoa an'i Rio.

25 Septambra 2017

Shily: Andron'ny Tanora Mpiady

Nandritra ny vanim-potoanan'ny mpanao didy jadona tao Shily, nisy namono ry Rafael sy Eduardo Vergara mirahalahy. Niady tamin'ny governemanta izy ireo. Nanomboka tamin'izany, nisy ireo fikambanana sasany tany Shily nankalaza ny andron'ny "tanora mpiady".

Shily: Misy Fiantraikany Amin'ny Fiveloman'ireo Mpanjono Ny Fiparitahan'ny Solika

Dimampolo sy telonjato litatra ny solitany raraka tao Bahia San Vicente ao Talcahuano.

Nampiseho Ny Hery Sy Ny Firaisankinan'ny Meksikana Ny Horohorontany

Ny fahalehibehezan'ny vahoaka dia tsy ao anatin'ny andrim-panjakany. Fa any ivelany, eny an-dalambe. Mifanatrika. Tanana mifampitanana. Tsy milavo lefona ny fo mitempo ary mangataka mba tsy hialan-daharana ny hafa.

Ny Resak'ireo Salvadoriana Biloagera Momba Ny Faha-15 Taonan'ny Fifanarahana Fandriampahalemana

Ireo fankalazàna ny fitsaharan'ny ady an-trano dia niteraka tafatafa maro isankarazany sy fitantaràna avy amin'ilay ady an-trano. Tantara iray no tena nahafaly manokana ny tao El Salvador