Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2017

31 Oktobra 2017

Kiobà: Ireo Niharam-boina Noho i Irma tao An-tanànan'ireo Tafiodrivotra

Ao Camagüey, mandalo ireo tafiotra, ireo niharam-boina kosa mitoetra. Nomen'i Irma azy ireo taorian'ny tafiodrivotra izay namely azy ireo ny 29 aogositra 2017 ny kapoka farany.

Medellín, Kolombià : Manohana Ny Hetsika Fanoherana ny Tolon'Omby ny Governemanta Ao An-Toerana

...voalohany indrindra teo amin'ny tantaran'ireo firenena miisa 8 mankalaza ny fomban-drazana antsoina hoe tolon'omby no nisy governemanta nanohana hetsika fanoherana ny tolon'omby...

Fahatakarana Ny Olana Venezoeliàna Amin'ny Alàlan'ny Lalao An-dahatsary

Mamela dindo aminà habaka samihafa no sady manamafy karazana fomba fijery isankarazany manodidina ny olana Venezoeliàna ireo fomba fanao feno famoronana hetsi-panoherana ao Venezoelà.

Fifidianana Filoham-pirenena ao Shily; Amin'ny 15 Janoary ny Fihodinana Faharoa

Andro iray tena mampientanentana ho an'i Shily androany, satria Shiliana maherin'ny 6 tapitrisa no hifidy  filoha, loholona ary solombavambahoaka.

Shily: 27 Ora Itiavana

"...ary tsy misy tanjona afa-tsy ny firaisankina amin'ireo ankizy, ny fanangonana ara-bola hanampiana ireo ankizy manana fahasembanana, ny fampiroboroboana ny kolontsain'ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena..."

Shily: “Mpitsikilo Pelaka , Vono An'olona Ary I Henry Kissinger”

Vao haingana no navoakan'ny Arisivan'ny Fiarovam-pirenena Amerikana ampahibemaso ny antontan-taratasy iray hitan'i Monica Gonzalez, mpanao gazety Shiliana mpanao fanadihadiana ary azon'ny besinimaro jerena ao amin'ny oniversite UNIACC ao Santiago, Shily

30 Oktobra 2017

Bilaogin'ny Skoto Shiliana

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

Fampitàm-Pampianarana Amin'ny Alalan'ny Bilaogy

Manome hery ho an'ireo mpampianatra, izay tafasaraka amin'ny jeografian'i Shily ireo blaogy miditra amin'ny sehatry ny fanabeazana, mba hifaneraserana amin'ny fomba izay tsy dia azo natao teo aloha.

Tsy Manambola Hianarana Ao Shily

Tamin'ity herinandro ity, noho ny fahadisoan'ny fandaminana ny angon-tahiry, nomena ho an'ireo mpanankarena nisoratra anarana ny fampindramam-bola avy amin'ny governemanta ary koa ny fanampiana ara-bola ho an'ny fianaran'ireo mpianatra kely fidiram-bola.

29 Oktobra 2017

Bilaogera Shiliana: Inona no Nitranga Tamin'ny Bilaogy Ara-politika?

Ny ankamaroan'ny kabary ara-politika dia momba ny demokrasia ifarimbonana, saingy nahoana izy ireo no tsy mampiasa bilaogy ho sehatry ny politika ifarimbonana?