· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2019

Afaka mampaniry nify ve ny NETmundial?

GV Mpisolovava  30 Avrily 2019

Hetsika tokana ny NETmundial, tsy misy rafitra ara-pitsarana izay manome fahalalana hanondro ny olona iray ho tomponandraikitr'izay vokatra aterany- ka inona ary no tena ataontsika rehetra eto?

Venezoela: Blogstock faharoa

  29 Avrily 2019

Nandritra ny roa andro, nivory faharoa izay fanao isan-taona ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana [ES] tao amin'ny toerana iray lavitry ny renivohitra mba hanao fety miaraka amin'ny tarika mozika sy ny toaka.  Blogstock no anaran'ny "fety". Tsy misy ny famelabelaran-kevitra na symposioma fa fetibe ao anatin'ny fiarahan'ireo mpinamana nomerika fotsiny izany.

Kiobà : Fisamborana ilay bilaogera Yoani Sànchez

GV Mpisolovava  25 Avrily 2019

Nosamborina tao amin'ny faritany atsinanan'i Bayamo izay nandehanany mba hitantarana ny fizotry ny fitsarana iray ilay bilaogera Kiobana Yoani Sánchez. Nanome vaovao ny tambajotra sosialy sy ny fampahalalam-baovao hafa na dia tsy mbola fantatra aza ny antsipiriany momba ny antony nisamborana azy.