Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2018

31 Desambra 2018

Kolombia: Ny fandriky ny tahiry piramidaly

Kolombia: Ny fandriky ny tahiry piramidaly...ambaran'ny hafa fa tsy miteraka na mitombo ilay vola, fa raha ny marina dia volan'olonkafa ireo anjara tombombarotra, volan'ireo vao manomboka mampiasa vola

Bolivia: Toby Miaramila Any Amin'ny Sisintany Ary Fifandirana Anaty

Resahina eny anivon'ireo blaogy miresaka politika avy any Però sy Shily ny fifanarahana teo amin'i Bolivia sy Venezoela ny hanao fotodrafitrasa ara-tafika eo amin'ny sisintany iraisan'i Paragoay, Shily, Però ary i Brezila.

Tsy Fandraisana Anjara Avobe ary Fahatapahan'ny Fampahalalam-baovao tamin'ny Fifidianana tao Venezoela

Mitatitra ireo toerana tsy nisy nifidy nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka ho amin'ny Antenimieram-pirenena natao androany ireo blaogera Venezoeliàna.

Manomboka Mandeha Ao Karakas NY WSF

Manomboka Mandeha Ao Karakas ny WSF

Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Boliviana -Feb 2006

Mbola any amin'ny hetsika ataon'ny governemanta vaovao ihany no itodihan'ny jiro. Bilaogera Boliviana sasany no maneho ny fifandraisany amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipa vaovao.

Any Brezila, filaharana handresena ny tahotra ary hitolomana ho an’ny zon’ireo mpifindra monina

Mpifindra monina an-jatony monina any Brezila no nanao diabe tao São Paulo mba hitaky ny zo bebe kokoa ary hankalaza ny firenena izay nofidiany honenany.

Ny fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hillary Clinton tany Ekoadaoro 

Nitsidika an'i Ekoadaoro ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny 8 Jona 2010, izay nihaonany tamin'ny filoha Rafael Correa mba hifanakalo hevitra momba ny olana samihafa. Ireo mpisera Twitter dia naneho hevitra momba ny fitsidihan'i Clinton, izay nahitana taratra ny andiana fihetseham-po manoloana an'i Etazonia sy ny fifandraisany amin'i Ekoadaoro.

29 Desambra 2018

Ahoana no ahafantarantsika amin'ny tantara an-tsarin'i Marcelo D'Salete ny lasa sy ny ankehitrinin'i Brezila

"Mety hanampy izany hitondra fanovana toe-tsaina amin'ny fitsinjovana ireo vondron'olona misy eto Brezila, hanoherana ny fijery tokana manjaka, izay mbola manasaratsaraka ireo vondron'olona ireo amin'ny toerana samihafa sy amin'ny an-tanantohatra samihafa."

Però: Bilaogera avy ao Ica

Ny tanànan'i Ica no tena voakasiky ny horohorontany Peroviana manokana vao haingana. Maro amin'ireo fanavaozam-baovao sy antso ho an'ny firaisankina no avy amin'ireo bilaogera ao an-tanànan'i Lima. Nikaroka ireo bilaogera avy ao an-tanànan'i Ica ny mpanoratra ao amin'ny GV, Juan Arellano ary nahita ireto bilaogy ireto.

Bilaogy Peroviana vao haingana

Mavitrika tato ho ato ny sehatra ara-politika, satria bilaogera isan-karazany no matetika nandefa momba ny zava-nitranga vao haingana ary anisan'ny nanintona ny saiko indrindra nyy nosoratan'i "La Morena" momba ny kandidan'ny antoko politikan'ny fitondrana