Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2020
Goatemalà: Dokambarotra tsy mahasarika
Niteraka resabe ny andiana dokambarotra nataon'ny orinasa mpanao kiraro avy any Goatemalà mampiseho vehivavy maty manao kiraro lamaody. Heverina ho tsy mety izany dokambarotra izany ao amin'ity firenena ity izay ahitana ny taha famonoam-behivavy avo. Manohitra izany ary manambara ny fanaovana ankivy an'ity orinasa mpanao kiraro ity ireo bilaogera Goatemalteka.
Kolombia: Pretran'ny Paroasy avy any Jongovito nandrara ny Fetiben'ny Olom-masina mpiahy
Niteraka fanehoan-kevitra avy hatrany tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kolombiana ny vaovao avy amin'ny pretran'ny paroasy ao Jongovito, ao an-tanàndehiben'i San Juan de Pasto izay nandràra ny fankalazana ny fetiben'i San Pedro y San Pablo (natao ny 29 Jona).