Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2015
Nataon'ny artista ho lasitra hisiam-piovana nandritra ity 2015 ity izao tontolo izao
Manatona ny taona 2016, ataontsika tamberina ny tantara 16 avy ato amin'ny tahirin-javakanton'ny Global Voices nivoaka tamin'ny fotoana nahamety azy.
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."
Krismasy Manerantany Ao Anatin'ny Sary 17
Misaotra betsaka ho an'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices nizara sary momba ny fankalazana sy ny sakafo krismasin'izy ireo.
Ny Hehy Lehibe Amin'ny Fandrahonana Ataon'ny ISIS Amin'i Meksika
Lavitry ny fanehoana tahotra, nofenoin'ny Meksikana hatsikana maneso sy tantara maizina mampihomehy mikasika ny fandrahonana miseho lany ataon'ny ISIS ny aterineto
Teny Folo Fampiasa Andavanandro Amin'ny Teny Espaniola Sy Anglisy Avy Amin'ny Quechua
Heverina fa any amin'ireo firenena "Andin" ihany no itenenana ny quechua. Nefa, teny maro amin'io fiteny io no ampiasaina amin'ny castillan sy amin'ny fiteny hafa toy ny Anglisy.
Ahoana ny Fomba Nentinao Nanamarika Ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ireo Mpifindra Monina?
Nandritra ny tantaran'ny zanak'olombelona, fanehoana amim-pahasahiana ny fanirian'ny tsirairay hihoatra ny fahasamihafana sy hiaina fiainana tsara kokoa ny fifindra-monina.
Ireo Mpiteny Ny Jakaro Any Però, Manana Tanjona Ny Hiaro Ny Teniny An-dàlam-pahafoanana
Mety hoe vitsy ireo mpiteny ny teny Jakaro any Pero, fa tsy kely kosa ny ezaka ataon'izy ireo mba hiarovana ny tenin'ny vondrom-piarahamoniny.
Volana Efatra Aty Aoriana, Tsy Mbola Nisy Valiny Mikasika Ny Tifitra Nahafaty Nataon'ny Mpitandro Filaminana Salvadoriana Sy Ny Tafika Ka Nahafatesana Olona Dimy
Nasongadin'ireo fitsirihana natao tamin'ny razana dimin'ireo lehilahy fa voatifitra akaiky izy ireo. Telo andro taty aoriana, ramatoa iray izay vavolombelon'ny fitifirana no tsy hita popoka.
Aterineto ambany fikoriana, fanantenana ambony nirariana: Fandraisana anjara nomerika tamin'ny fifidianana tao Venezoelà

Na dia ambany fikorisa aza ny aterineto ary voamarika tany amin'ny toerana sasantsasany ny fahatapahan'ny aterineto miverimberina, dia voaporofo fa mitana anjara toerana lehibe amin'ny resaka ifanaovana amin'ny vahoaka sy ny fivezivezen'ny vaovao momba ny kandidà, indrindra ireo avy amin'ny fanoherana ny tranonkalan-tserasera.
Fankalazana Niafara Famoretana: Mbola Manao Fihetsiketsehana Ho Amin'ny Fampianarana Tsara Kokoa Ny Mpianatra Ao São Paulo
Nanao fankalazana ny mpianatra ao São Paulo rehefa nahazo fandresena tamin'ny fanoherana ny politika "fandaminana indray" nokasain'ny governora, nanohy ny fihetsiketsehana izy ireo ary niharan'ny herisetran'ny polisy.