Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005)

Ny Afovoany Atsinanana

Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa ny handika izany ho amin'ny teny arabo, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta. Fa maninona no tsy mailaka? Eny, toa tsy mahomby ny fandefasana mailaka ho an'ireo depiote Bahrainita.

Another Irani Online mandinika ny valim-pifidianana Iraniana ary manontany hoe: “ahoana moa no tena ahafantarantsika ny tenantsika?

Hoder milaza fa ny  mpandala ny nentin-drazana” dia tsy teny marina hampiasaina ho an'ny kandida Iraniana Kandidà Ahmadinejad; Heveriny fa ny “fondamentalista” no tena marina kokoa.

Pedram Moallemian, izay manoratra ny The Eyeranian,  manazava ny antony tsy nifidianany tamin'ny herinandro lasa.

The Iran News Blog manontany raha raha nifampiresaka i Rafsanjani sy Ayatollah Khamenei mba hahazo kandidà avy amin'ny elatra farany havanana amin'ny fihodinana faharoa, mba hiantohana ny fifidianana an'i Rafsanjani ho filoha.

Bagdad Burning manana lahatsoratra lava sy amin'ny antsipirihany momba ny fiainana andavanandro any Baghdad

Sabbah Blog manana tantara momba ny fiverenan'ireo ankizy mpitaingin-drameva mifanala hazakazaka amin'ny fianakaviany.

Saudi Jeans nanomboka nandray fepetra hanangana fiarahamonina bilaogy Saodiana.

Ny bilaogy Al-Hiwar, nosoratan'ny Amerikana iray any Afovoany Atsinanana mianatra momba ny politika any Libanona sy Yemen, mandinika ny fomba hanasokajian'ireo fikambanana vaovao samihafa momba an'i George Hawi novonoina vao haingana.

Azia atsinanana

Nanomboka nanakatona ny bilaogy Typepad indray ve i Shina? Nahatsikaritra fanakorontanana lehibe mba hahazoana ny tolotra bilaogy mpampiantrano i Asiapundit na dia nanamarika aza i Fons of China Herald  fa tsy ny tranonkla Typepad rehetra no voakasika.

Ratsy ve ny sivana rehetra? EastSouthNorthWest milaza fa angamba tokony hisy fetrany ny fahalalahana haneho hevitra .

Sary avy amin'i Anthony Hartman

Amerika Latina

Mampahatsiahy antsika i Barrio Flores fa raha misy antony maromaro tsy hiombonana hevitra amin'i Evo Morales, tsy tokony hionona amin'ny fanavakavahana ireo mpanohitra .

Eoropa

Central Budapest manamarika tsingerintaona roa lehibe: Voalohany, mankalaza ny tsingerintaona faha-15 n'ny fifanakalozana an-tsenam-bola Budapest taorian'ny fisokafany indray tamin'ny taona 1990. Amin'ny fanamarihana somary matroka kokoa, kasaina hosokafana amin'ny tsingerintaona faha-50 taonan'ny zava-nitranga ny tsangambatao fahatsiarovana ny fitroarana 1956. Raha ny marina, dia hapetraka amin'ny toerana nisy ny sarivongan'i Stalin ny tsangambato.

Loic Le Meur manondro lahatsoratra lava momba ny fanoratana isan'andro ataon'olon-tsotra sy ny bilaogy ao amin'ny gazety Liberation. Ahitana sary lehibe eo amin'ny pejy voalohany ny taratasy; namoaka azy tao amin'ny lahatsorany i Loic.

Azia atsimo

Gaurav Sabnis ao amin'ny Vantage Point mankalaza ny vaovao fa fanjakana Indiana sasany no manomboka miala amin'ny rafitra ampihimamba amin'ny fivarotana vokatra izay tohanan'ny governemanta.

Sary avy amin'i David Sasaki

Afrika

This is Zimbabwe mandefa sary habakabaka mampihetsi-po mampiseho ny fiantraikan'ilay antsoina hoe “Hetsika Fanadiovana”.

The Zimbabwean Pundit indray nahita fa toa manonta vola mba hiadiana amin'ny fiakaram-bidim-piainana ny governemanta. Indrisy, araka ny filazan'ireo mpianatra ao amin'ny Repoblikan'i Weimar sy Ady Sivily Shinoa, mitarika any amin'ny fiakaram-bidin-javatra tafahoatra ny fanontana vola.

Tianay ny miala tsiny amin'ny mpanoratra ny Black Looks; fahadisoana fanitsiana natao tamin'ny famoahana ny fitsidihana bilaogy omaly izay lasa niova ny maha-lahy na vavy azy. Miala tsiny amin'ny fahadisoana izahay.

Azia atsimo-atsinanana

Atoa.Brown tsy mety resy miresaka momba ny lohahevitra manifestos bilaogera.

Tomorrow mandrakitra ny loza madinika izay nitranga raha nanafangaro tanora bilaogera Singapaoreana roa ny gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.