Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Septambra, 2013
Brezila: Hanana Lalana Natokana Ho Azy Ireo Ny Mpitaingina Bisikileta ao Fortaleza
Rehefa nandray an-tanana tamin'ny fandokoana ny lalana ho an'i bisikileta ny mambra ao amin'ny Critical Mass ao Fortaleza, nanaiky amin'ny fomba ofisialy ihany ny mpitondra ny tanana ny farany.
Però : Rava Ilay Piramida Tranainy
Miady ny Peroviana ho fiarovana ilay toerana mirakitra vakoka 4.000 taona tandindoninà foto-drafitrasa .
Vehivavy Roa Naiditra Am-ponja Fa Nifanoroka Nandritra Ny Hetsika Ara-pivavahana Iray Tao Brezila
Tao anatin'ny fotoam-pivavahana notarihan'ilay pastora sady mpikambana ao amin'ny kaongresy Marco Feliciano, vehivavy roa nifanoroka tao anatin'ilay hetsika no nosamborina.
Fitroaran'ny Mpianatra Ao Shily: ‘Misy Hotantaraina’
Global Voices miresaka amin'i Pablo Navarrete, izay mamokatra horonantsary fanadihadiana miaraka amin'ny rainy mikasika ireo Shiliana mpianatra miezaka manandrana manilika ireo aloky ny lasa fony fitondrana jadon'i Pinochet.
Amerika Latina : “Aiza No Tena Nalehan'ireo Nanjavona?”
Ny aterineto dia loharano iray ahitana ireo fandraisana andraikitra sy tantara tsy hita faritra, izay mampahatsiahy ireo nanjavona sy ny tolona hanoherana ny tsimatimanota.
Victor Jara: Mozika Mitady Ny Rariny 40 Taona Taorian'ny Namonoana Azy
Tafahoatra ny sisintanim-pirenena ny lovan-kiran'i Victor Jara, tahaka ny antso hisian'ny rariny [fitsarana] ilàna fitakiana hamerenana ao amin'ny firenena ny iray amin'ireo miaramila namono azy efapolo taona lasa izay.
Rivo-Doza ‘Manuel’ Manafo-Drano An'i Acapulco
Faty 34 ary tra-boina an'arivony raha ny tatitra azo, ambonin'izany ireo mpizaha tany 40.000 tsy tafavoaka .
Allende Sy Pinochet, Fampitahàna Mampizara Ny Shiliana
Ny tsingerintaona faha 40-n'ny coup d'état (fanonganam-panjakana) izay nanongana an'i Salvador Allende no niteraka ny adihevitra momba ny fitantanany sy ny fandovàna ny didy jadon'i Augusto Pinochet.
Voan'ny Nataony Ihany Ilay Peroviana Mpihira Nitsikera ny ‘Free Riders’
Namoaka hira ilay peroviana mpihira Julio Andrade ary voatsikera mafy tamin'ny haino aman-jery sosialy.
Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià
Ny artista breziliana dia manolotra ireo sanganasan'izy ireo ho an'ny hetsika fitadiavam-bola anohanana ny Tetikasa Ewaso Lions, izay natokana hanavotana ny liona any Kenià.