Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2010

28 Febroary 2010

Chili : Tahotra Tsunami tany amin'ny nosin'i Paska

Fanta-daza noho ireo sary sokitra Polyneziana izay manintona mpizahantany manerantany ny Nosin'ny Paska. Fantatra amin'ny anarana napetraky ny mponina ao ho Rapa Nui moa ity anatin'ny zaratanin'i Chili ity, izay any amin'ny 3500 km andrefan'ny kaontinantan'i Amerika atsimo ary manana mponina maharitra manakaiky ny  5000. Taorian'ny horohorontanin'ny 27 febroary moa...

Chili: Horohorontany tany Chili hitan'ny mason'ny olona

Santiago taorian'ny horohorontany nopihan'i pviojo CC-By Koa satria moa efa hadiva hilentika ny masoandro dia nitombo isa ireo lahatsary mitantara ny horohoroontany nahatratra 8,8 izay nihatra tamin'i Chili tamin'ny 3:30 maraina. Koa satria moa tsy ny tanibe ihany no nisian'izany hetsiky ny tany izany dia niteraka onjan-dranomasina vaventy (tsunami) izay...

Chili : Horohorontany mahatratra 8,8 refy Richter

Horohorontany manana herim-pihetsehana 8,8 amin'ny refy Richter no nandona ny faritr'i Maule tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana any Chili io. Heno hatrany an-drenivohitra Santiago izay 325km miala ny ivony ny hetsiky ny tany. Betsaka ny fahasimbana manerana ny firenena, ary mitombo isa araka izany ihany koa ny niharam-boina. Mbola re...

25 Febroary 2010

Cartagena: Lahatsary iray isan'andro avy any Kolombia

Androany avy any Cartagena any Kolombia: Voalahatra ho ao anatin'ny Lovan-kolontsaina manerantanin'i UNESCO sy toerana be mpitsidika indrindra no itondranay anareo anareo hianoka amin'ny alalan'ny lahatsarin' ( video) izany tanàna izany izay amoahana iray isan'andro mandritra ity taona 2010 ity.

22 Febroary 2010

Però: Sekoly Ambony vaovao ho an'ny mpianatra tena sangany

Tany amin'ny fanombohan'ny taona 2009 tany ny filoha Peroviana Alan García no nanambara ny fananganana ny Sekoly Ambony Filohan'i Però [es] aorina any Huampaní, tokony ho 25 km atsinanan'i Lima (renivohitra). Tetikasam-panabeazana (mitady voninahitra) hampidirana ny mpianatra 500 mahay indrindra avy amin'ny sekoly 47 tsara indrindra manerana ny firenena izy...

15 Febroary 2010

[Podcast] Fanadihadina niarahana tamin'Fabiano Angelico momba ny Transparência Brasil

Teknolojia mampangarahara asa

Mpandrindra ny tetikasan'ny Transparência Brasil (Brezila Mangarahara) i Fabiano Angélico. Ny toha-pikarohana nataony hahazoany diplaoma dia ahitana ny hoe “Ny fangaraharana, ny comptabilité ary ny ady amin'ny kolikoly” izay nataony tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chili. Eo am-pakana ny Master ao amin'ny fitantanam-panjakana ao amin'ny Fundação Getúlio Vargas any São Paulo, Brezil...

14 Febroary 2010

Costa Rica: Rantin-tsary nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena

Nanokana rantin-tsary [es] momba ny fifidianana notontosaina tamin'ny 7 febroary 2010 teo ka nahalany an'i Laura Chinchilla ho vehivavy voalohany ho filoha teo ny vondrona mpaka sary Kostarikana antsoina hoe “Nomada Colectivo” (Vondrona Mpivezivezy). Nanaraka ny arabe ity vondrona ity hipika ny zava-nisy nandritra ny androm-pifidianana. Saripika avy amin'ny Vondrona...

13 Febroary 2010

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010. CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra...

01 Febroary 2010

Sary mihetsika: Antso vonjy ho an'i Perou Atsimo tratran'ny tondra-drano

fahatezeran'i rio urubamba avy amin'i Carlos Jose Rey ao amin'ny Living in Peru, nahazoana alàlana Nahatonga ny mponina any Cusco sy ny manodidina azy any Perou hihetsika handefa sarimihetsika tamin'ny web ny trangam-pahamehana misy any aminy, miezaka izy ireo hanaitra ny fampahalalam-baovao rehetra hijery ny loza iainan'ireo mponina any an-toerana...