Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2011
Costa Rica : Sehatra Maro Mitsipaka Ny Vinan'ny Governemanta Momba Ny Hetra
Amin'izao fotoana izao, ny zava-dehibe ho an'ny governemanta ao Costa Rica dia ny hanekena ilay vina ara-ketra antsoina hoe "Solidaridad Tributaria"(Hetra faobe)(Solidaridad Tributaria) vina ara-ketra. Na dia izany aza, sehatra maro ao amin'ny fiarahamonina, antoko politika ary mpandraharaha maro no nanao fanambarana ny amin'ny fanoherany mafy io fanovana io.
Chile : Raha Mpanampy Ianao, Avaho Ny Tenanao
Fanakavahana ara-tsokajy sa lalàna tsotra mifehy ny klioba tsy miankina iray? Ny fitsipiky ny kliobanà "golf" iray izay mandràra ireo mpanampy na mpitaiza zaza tsy hiditra anaty dobo filomanosana sy manery azy ireo hanao aron'akanjo mba hahafahana manavaka azy ireo dia nahatonga fanehoan-kevitra maro tao amin'ny tontolon'ny Cyber ao Chili.
Tohano Ny Global Voices
Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny...
Pero: Lahatsary Ahitana ny Fihetsiketseham-panoherana ny Fitrandrahana, Andiany I
Fihetsiketsehana vao haingana manohitra ny fahapotehan'ny tontolo iainana noho ny fitrandrahanana harena an-kibon'ny tany ao Però no nitarika ny fampiasana fitaovam-pahalalam-baovao marobe, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy famoahana lahatsary nalain'ny olom-pirenena nandritra...
Amazonia Peroviana: Ny Fanambin'ny Zava-Mahatalanjon'ny Natiora
Nambara ho isan'ny iray amin'ireo zavatra 7 mahatalanjon'ny natiora ny ala mikitron'i Amazonia, fanambaràna izay andrasana hitondra tombontsoa ho an'i Loreto , faritra Peroviana ar ny tananan'i Iquitos amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany. Nefa mba niomana marina ho amin'izany ve ny faritra?
Venezoela: Misy Misompatra Ny Kaonty Twitter-n'ny Mpanohitra
Tao anatin'ny volana maromaro izay, namoaka vaovao mikasika ny fisomparana faobe ny kaonty Twitter an'ireo mpiserasera izay mitsikera mivantana ny Filoha Hugo Chàvez ny valan-tserasera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra ao...
Karaiba: Fisaina Ho An'ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny SIDA
Tamin'ny 1 Desambra teo ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny SIDA. Nandefa ny heviny sy ny fanohanany ho an'ny ady atrehana, atao amin'ny VIH sy ny SIDA ny mpitoraka bilaogy avy any Karaiba.
Amerika Latina : Resadresaka Niarahana Tamin'I Santiago Hoerth Momba Ireo Teknolojia Malalaka
Niresadresaka niaraka tamin'i Santiago Hoerth, mpamorona sy mpiara-mandrindra ny Código Sur, i Juan Arellano momba ny rafitra sy ny fikambanan'ny Código ary ireo foto-dresaka samy hafa, toy ny tsy fiandaniana sy ireo tambajotra malalaky ny Aterineto, ny tsindry eo amin'ny rindrambaiko malalaka any Amerika Latina.
Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona
Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra...
Songadina Lahatsary: Lavo-Tondro, Mpialokaloka, Ady ary Teknolojia Mivelatra
Tantara nahitana lahatsary mahaliana notsongain'i Juliana Rincón Parra tato amin'ny Global Voices nalaina tany Azia Atsinanana, Afrika Atsimon'i Sahara, Azia Afovoany, Kaokazy ary Amerika Latina, selected by Juliana Rincón Parra.