· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Septambra, 2009

Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra

  29 Septambra 2009

Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”

  17 Septambra 2009

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran’ ireo nandresy tamin'ny fifaninanana “2009 Democracy Now Challenge” (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia...

Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?

  04 Septambra 2009

Lehilahy mainty hoditra iray no niharan'ny herisetra teo amin'ny toerana fametrahana fiaran'ny toeram-pivarotana lehibe iray tao São Paulo raha nampangain'ny mpiambina ho niketrika fangalarana fiara izay tsy hafa fa azy ihany, niteraka adihevitra be teo amin'ny mpitoraka blaogy maro momba ny anganongano milaza an'y Brezila ho demokrasia ara-poko.