Lavin'i Cui Jian, Kintan'ny Rock Shinoa, Ny Hihira Eo Ambany Sivana

Toa sahala amin'ny tsy handray anjara amin'ny ‘gala’ mandritry ny fetin-dohantaona amin'ity taona ity ilay kintan'ny rock shinoa, Cui Jian, noho ny fitakian'ny manampahefana hanivànany ny tononkirany.   

Nisy ny sahoan-dresaka mikasika ny fandraisana anjaran'i Cui amin'ny fetin-dohantaona hatrany amin'ny fiandohan'ny Janoary. Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nilaza tamin'ny New York Times ny mpikarakara manokana an'i Cui  fa mety hiaka-tsehatra i Cui raha toa ka tsy misy fitakiana hanesorana amin'ny tononkirany.

Nahataitra ny maro ny fanasana azy hiaka-tsehatra amin'ilay fetin-dohantaona noho ny toerany mahatonga resabe ao Shina amin'ny maha-mpihira rock azy. Lasa hira faneva ho an'ireo hetsi-panoheran'ny mpianatra tao amin'ny Kianja Tiananmen tamin'ny 1989 ny hirany “Tsy Misy Amin'ny Anarako – Nothing to My Name”. Tany amin'ny taona 1990, noraràn'ny governemanta ny fiakarany an-tsehatra tamin'ireo tranobe fanaovana fampisehoana noho ny tononkirany miatyresaka politika

Cui Jian's CD cover "nothing to my name"

Fonon'ilay CD “nothing to my name” an'i Cui Jian

Ny Seho An-tsehatry ny Fetin-dohantaona no fialamboly be mpankafy indrindra ao Shina satria efa fomban-drazan'ny Shinoa ny miaraka amin'ny fianakaviana mijery izany ny Alin'ny Taona Vaovao Shinoa.

Kanefa, tsy mahasarika ny tanora intsony ilay seho tato anatin'ny taona vitsivitsy noho ny fisehoana an-tsehatra atao ao lasa diso mamofona fitiavan-tanindrazana loatra sy ny fitomboan'ny fialamboly ety anaty serasera. Betsaka no mihevitra ilay fanasàna an'i Cui ho toy ny ezaka hamelomana indray ilay fety.

Naneho fihetsehampo mifangaroharo be ihany ireo mpankafy an'i Cui tany anaty media sosialy Shinoa. Raha maro no mihevitra hoe mety ho fotoana iray tsara fanararaotra io mba hiroboroboan'ny “rock and roll” ao Shina, ny sasany kosa malahelo amin'ny fidiran'i Cui aminà seho miendrika fampielezankevitra izay mety hanimba ny fanahin'ny “rock and roll”

Ao amin'ny Sina Weibo, tranonkala malaza indrindra amin'ny fitorahana bilaogy kiritika ao Shina, nanoratra i [zh] “Han Haoyue”  hoe:  

崔健上春晚,是意识形态层面的放开。2014摇滚有复苏的迹象,精神生活苍白的中产阶级需要点摇滚的刺激,舆论场的强大能量会推动摇滚重回娱乐中心。

Midika fisokafan'ny resaka ideolojia ny fisehoan'i Cui Jian ao amin'ny fetin-dohantaona. Ho fiverenan'ny “rock and roll” indray ao anatin'ny taona 2014, mila karazana tosika avy amin'ny rock ny kilasin'ny mpiasa izay efa likiliky, hanosika indray ny “rock” ho eo anivon'ny fialamboly ny fanehoan-kevitra matanjaka avy amin'ny vahoaka

Nandà anefa ny sasany. “Paihuan de Suiliang” nanoratra hoe [zh] : 

乌托邦永远是小众的乐园。 一旦,它被主流接受很多事情将被改变,会被利用被捆绑,像美国就有很多这样的主流乐队。 摇滚终究属于操场和露天舞台,所以解决的办法是所有乐队一起上春晚,或者直接把春晚改成迷笛。

Mandrakariva ny nofinofy tsy hay tanterahana dia an'ny vitsy an'isa ihany. Vantany vao neken'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ny “rock”, dia efa akàny tombontsoa sy feheziny, toy ireo tarika tranainy any Etazonia ihany. Mety ho an'ny sehatra mihidy an'olon-tsotra na banja malalaka ny Rock, noho izany ny ala olana dia ny fanantevenan'ny tarika rehetra an'ilay fetin'ny lohataona, na manova miandàlana ilay seho ho lasa Fetiben'ny Mozika Midi.

Nampita toe-po tahaka izany i “Xin Changzheng Lushang” :

崔健代表着时代,但是在这种场合这个时段唱自己的歌总觉得有所不搭,崔健的歌没有那么多温暖和妥协,更多的是力量,是挽歌,是思考,所传颂的东西不是春晚这种场合所能驾驭的了的。

Endriky ny fotoana i Cui Jian, nefa toa tsy mifanaraka amin'ity seho ity ireo hirany. Tsy maneho hafanana na marimarira iraisana ireo hiran'i Cui Jian, somary milaza hery, alahelo, eritreritra, fa tsy zavatra izay azon'ilay fetin-dohantaona folahana sy fehezina

Ho an'ny maro amin'ny mpankafy, te-hahita an'i Cui fotsiny hiaka-tsehatra izy ireo. Nanoratra i “Chibuzhe tiefanwan” : 

首先崔健上春晚舞台对于摇滚乐的发展没有实质性的意义。春晚严肃性的政治舞台,其实并不适合摇滚乐。其次是选曲问题,十年禁演到上春晚,正如丁丁说社会批叛力会减少。不过看着电视等着崔健的出现对我们来说也是一挺幸福的事儿。

Voalohany indrindra, tsy dia misy dikany ho an'ny fivoaran'ny mozika “rock” ny fiakarana an-tsehatr'i Cui Jian ao amin'ny fetin-dohantaona. Tena kianja politika tanteraka ny seho rehefa fetin-dohantaona, izay tsy mifanaraka velively amin'ny “rock and roll”. Faharoa, ny olana amin'ny fifantenana ireo hira, miainga amin'ny fandraràna efa ho ampolo taonany maro ka tonga hatraty amin'ny fanasàna hiaka-tsekatra amin'ilay fety, hanetry ny fanahin'ny fanoherana sy ny hery mpanakiana. Kanefa, iray isan'ny mahafinaritra mandrakariva ny fiheverana hahita an'i Cui Jian amin'ny fahitalavitra

Nanahy loza sahady i “Gu feng” : 

崔健上春晚具有示范作用,会强力促进摇滚乐队的自我审查。投机、妥协、寻找中间路线将成为中国摇滚乐创作的参照,揭露、发泄、批判等核心摇滚元素在党媒带来的声誉和利益面前亦将远离摇滚。以后我们听到的摇滚可能只是编曲上的摇滚而不是一种人生态度。可以想像在CCTV的舞台上,一群留长发、穿皮夹克的人声嘶力竭的歌唱祖国。

Raha tsy tsara ny ataon'i Cui Jian amin'ilay fety, dia ho sivana sy fanimbàna tena ataon'ireo tarika mpanao “rock” izany. Ho ampaham-piainan'ny “rock” Shinoa ny fanaovana kajikajy, marimaritra, ary ny fijerena ny elanelam-panahy, raha hijanona lavitry ny “rock” kosa ny fanehoana, ny famoahana ny fihetseham-po mivaivay, ary ireo kasinga fototr'aina, efa eo rahateo ny laza sy ny fahalinan'ny Antoko [Kaominista Shinoa]. Avy eo isika tsy handre afa-tsy ny rock ankosotra sisa fa tsy ilay rock toy ny endri-piainana. Azonao sary an-tsaina ve hoe andian'olona lava volo sy mitafy akanjo hoditra lavabe mankalaza ny firenentsika ao amin'ny sehatry ny [Fahitalavitra Foibe ao Shina] ?

Jereo ny iray amin'ireo hiran'i Cui Jian “A piece of red cloth”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.