‘China New York Times'? Tonga Soa Amin'ny Nofinofin'Ilay Mpanakarembe Chen Guangbiao

Nanambara tamin'ny 31 desambra 2013 ilay Shinoa miliaridera, izay mirona kokoa ho amin'ny fanaovana asasoa amin'ny sehatry ny tantara tsangana, Chen Guangbiao, fa mikasa ny hividy ny New York Times mandritra ny dia taombaovao hotanterahany any Etazonia, na dia eo aza ny fitsipahana avy amin'ny mpamoaka boky aman-gazety ny famarotana azy. 

Nanoratra tao amin'ny gazety shinoa tia manaitaitra Global Times ilay miliaridera fa tiany hividianana ny New York Times ny tahiry azony nandritra ny fiainana ary hohavaoziny amin'ny alalan'ny fanatsarana ny fitokisana ny zavatra soratany sy ny tsy fitongilanany rehefa mamoaka vaovao ilay gazety raha vantany feno ny fahazoany azy.

Noho ny fitiavany misehoseho amin'ny olona, toy ny fizarana vola taratasy 100 yuan (tokotokony ho $16 etazonia) teny an-dalamben'i Beijing, na ny famarotany rivotra an-kapoaka mba hividianana ny vondro-nosy Diaoyu, dia mahita ity fihetsika ity ho mitovitovy amin'izany ihany ny ankamaroan'ny Shinoa

Cartoonist D.S.X posted a caricature of Chen Guangbiao's attempt to acquire the giant media corporation.

Mpanao sariitatra D.S.X namoaka sary an'esoeson'i Chen Guangbiao's attempt to acquire the giant media corporation.

Raha ny marina, hita fa tsy tena mpanankohariana loatra ho afa-manao fifampiraharahana araka izay tadiaviny i Chen. Amin'izao fotoana izao ny haren'i Chen dia mitentina iray miliara yuan (manodidina ny 16 tapitrisa dolaran'i Etazonia), nefa ny sandan'ny New York Times eo an-tsena dia 2,4 miliara dolara. Rehefa sehatry ny resaka ara-bola i Chen dia mamaly amin'ilay fombany tia sehoseho iny fa tsy ampy hividianana ny gazety ny vola, saingy mety ho afa-mividy pejy iray izy [zh] izay tiany petahana hoe “China New York Times” eo amin'ny fanambonin'ny pejy.

Rehefa nody an-tanindrazana izy dia nifananihany momba izay ijoroan'i Chen ny mpisera Shinoa ka nanolo-kevitra azy hividy gazety ao an-toerana, tahaka ny People's Daily [gazetim-Bahoaka] ohatra na ny Global Times [Fotoana Ankapobeny].

Ao amin'ny Sina Weibo, tranonkalam-pamahanam-bilaogy fohy malaza ao Shina i Siling Ben, izay mpanakanto, nampivoitra fa ny zava-panaon'i Chen izao no ohatra ratsy amin'ny fihetsika tsy mety ataon'ny mpanankarena vaovao ao Shina:

陈光标轰轰烈烈的飞美国去了,标哥做事一向只为博眼球,感觉这次又是个新年笑料,而《纽约时报》回应不对谣言置评,不啻是一记耳光。 #司令点评#一个国家如果不能在基本价值观念方面与世界融合并提高国民的人文素养,钱再多也只能出产土豪土鳖和无厘头奇葩,在世界舞台不可能得到真正的尊重。

Nitabataba aok'izany i Chen Guangbiao dia nisidina nankany Etazonia. Toetrany mihitsy ny fanintona-maso tahaka izany. Izany no hanihanin'ny Taomabaovao. Tsy namoaka hevitra na inona na inona momba ny tsaho ny New York Times. Tahaka ny felaka tehamaina tamin'ny tarehiny izany. Rehefa tsy afa-miaramiaina amin'izao tontolo izao ny firenena iray eo amin'ny soatoavina fototra sasantsasany sady mampandroso ny resaka mahaolona eo amin'ny vahoakany, tsy misy dikany izay haren'ilay firenena, tsy hahazo ny fanajan'ny hafa eo amin'ny sehatra manerantany ny fihetsika [ny didin'ny] jiolahimboto sy misehoseho ho tsy refesi-mandidy.

Ny mpisera Weibo “Orsa lehibe” nanao fanehoan-kevitra mitovy amin'izany fa amin'ny filantom-peo tony kokoa:

陈光标做了许多慈善,这一点我无可厚非,令人敬佩,但这并不能掩盖他的无知和幼稚,试问纽约时报离开美国人自由的思想还是纽约时报吗?你是想谋杀它吗?

Nanao asam-panasoavana maro i Chen Guangbiao, fanaja izany. Saingy tsy tokony ho saron'ny tsy fahalalàna izany falalahan-tanana izany, raha tsy manana finoan'ny fahafahana Amerikana moa ny New York Times dia mbola ho New York Times ihany ve?

Mpisera Weibo monina ao Shanghai antsoina hoe Chen Jinguo namoaka indray ny resadresaka noforonin'ny eritreritra teo amin'i Chen Guangbiao sy ny tompon'ny New York Times:

话说陈光标来到纽约,《纽约时报》老板与标哥谈判。问:“你是做什么的。”答:“我是收废品的,包括废铜、废铁还有废纸,废物利用。”问:“那你怎么想起收纽约时报了呢。”答:“废报纸我也收啊”。

Nanomboka tamin'ny fahatongavan'i Chen Guangbiao tao New York City ny tantara, ary nanomboka ny adi-varotra teo amin'ny tompon'ny New York Times sy i Chen. F: “Inona ny fandraharahana tena ataonao?” V: “Fanodinana ho vaovao na varahina, na vy na taratasy, izay rehetra azo ampiasaina indray.” F: “Nahoana no tianao hovidiana ny New York Times?” V: “Manodina taratasy ihany koa aho!” [efa haintsika angamba fa ny paper dia mety ho sady midika ho taratasy no midika ho gazety amin'ny teny anglisy]

Ny mpanao tsikeran-tsarimihetsika Zhou Liming nanolo-kevitra an'i Chen hividy ny Trano Fotsy:

我希望标哥直接收购白宫,然后让他的手下人轮流坐庄。收购成本可以靠卖门票回收。收购《纽约时报》,太小儿科了。

Faniriako ny Rahalahy Biao hividy ny Trano Fotsy fa tsy izany. Avy eo dia afa-mibaiko ny olony izy hijoro eo am-bavahady sy hivarotra tapakila ho famenoana ny lany. Kely fahazoana tombony ny fividianana ny New York Times.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.