Mampiseho Ny Disadisa Misy Eo Amin'Ireo Tanora Sy Ny Ray aman-dreny Ao Shina Ilay Horonantsary ‘Tiny Times’ Novokarin'ny Blockbuster
Mampiseho ny disadisa misy eo amin'ireo tanora sy ny ray aman-dreny ao
Shina ilay horonantsary Tiny Times (Xiao Shidai) novokarin'ny Blockbuster tamin'ny lohataona, tantaranà tovovavy efatra mitondra ny marika akanjo lafo vidy, vokarin'ireo matihanina amin'ny lamaody ary ahitàna toerana mahafinaritra, izay mahatonga ny adihevitra ao Shina mikasika ny fitiavan'ireo tanora Shinoa rendrarendra amin'izao fotoana izao.
Tiny Times, nalaina avy amin'ilay tantara mitohy nosoratan'i Guo Jingming, izay nandiso ny vinavina tao Shina tamin'ny isa marobe azony ny andro voalohany namoahana azy ary nitazona ny laharana voalohany tamin'ny filaharan'ireo “box-office” hatramin'ny fotoana nivoahany ny 27 Jona 2013. Ny tohiny, izay voafaritra fa hivoaka ny volana Desambra, dia efa vonona amin'izao fotoana izao hisokatra ho an'i Shina amin'ny 09 Aogositra.
Mitantara ny fiainan'ireo tovovavy efatra izay efa any amin'ny Oniversite ilay horonantsary, izy ireo moa dia efa mpinamana tsy nifankafoy nanomboka tany amin'ny Lisea. Mibahana indrindra ao ny lohahevitra toy ny fikatsahana ny fahombiazana, fitiavana sy ny finamanana, avy hatrany dia mampahatsiahy ilay horonantsary Amerikana Sex and the City sy ilay Gossip Girl na koa ilay horonantsary the Devil Wears Prada ny fizotran'ilay horonantsary.
Guo Jingming, izay mpamokatra sady mpandrindra ilay horonantsary no mpanoratra manankarena indrindra ao Shina ary tonga misolo tena ny ‘andian-taranaka Me’ tanora indrindra ao amin'ny firenena, andian-taranaka teraka taorian'ny taona 1980, izay lehibe tao anatin'ny fotoana nisondrotan'i fanjifàna fandanilanian'i Shina nanomboka ny taona 1990, noho ny tantara malazany ho tanora zanak'antitra. Teraka ny taona 1983 avy aminà fianakaviana tsotra ary nitafy tsotra, nanomboka niseho vahoaka tamin'ilay tantara mitondra ny lohateny hoe “The City of Fantasies” – TAnanan'ny fizintizintiana – raha vao 20 monja. Najanony ny fianarany tany amin'ny Oniversite ary nanomboka nanomboka ny fanaovana fanontana izay azy manokana izy. Tamin'ny taon-dasa, tafakatra teo amin'ny lisitry ny Shinoa Manankarena tao amin'ny “Forbes” tamin'ny fahatraran'ny fidiram-bolany ho 27.6 tapitrisa yuan [45 tapitrisa dolara Amerikana] isan-taona.
Miaina fiainana lafatra izy ary tsy mitsoaka ny mason'ny vahoaka izany. Tao aminà tafatafa iray vao tsy ela izay [zh] dia hoy i Guo hoe : “Tsy afaka ny hanova ny fiarahamonina amin'ny herin'ny tenanao irery ianao. Kanefa afaka ny hibaiko ny lalànan'ny fiarahamonina ianao, ary hampiasa izany hanoherana ny hafa.”
Na dia eo aza ny fahombiazany any amin'ny ” box office”, dia niatrika onjam-panakianana maro ilay horonantsary. Ireo filazam-baovao lehibe, ireo mpanoratra antitra taloha sy ireo mpitantana maro no tena nanao ny fanakianana, izay manameloka ilay horonantsary noho ny lazany amin'ny fampiseho be fahatany ny rendrarendra tsy misy dikany sy ny zavatra ivelany ihany.
Ilay mpitsikera horonantsary fanta-daza, Zhou Liming (@周黎明), dia nanamafy fa be loatra ny fanehoana harena ao anatin'ilay horonantsary [zh]:
该片对物欲和美色的炫耀完全是恶趣味的,它不像时尚杂志里的高档商品广告。广告需要刺激人们的购买欲望,它往往借用憧憬。而郭敬明对于富和美的观念,如同一个小时候挨过饿的人,长大后看到一桌子食品时垂涎欲滴,没有淡定或自发的快乐,只有病态的贪婪
Tsy zakako intsony ny mijery ilay horonantsary. Mifanohitra amin'ireo fampisehoana lamaody any amin'ireo gazetiboky amidy izay mampiseho ny fitiavana fitaovana amin'ny alalan'ny nofinofy mahafinaritra, ny fampisehoan'i Guo ny harena sy ny hatsaran-tarehy kosa dia tena ratsy, toy ireo izay efa noana nandritry ny fotoana maro ka nahita sakafo tampoka teo ambony latabatra, tsy fahampiana fitoniana miharo hafaliana tampoka.
Ilay mpanoratra tantara an-dampihazo, Maguashihang (@鹦鹉史航), dia nampita ny nolazain'i Zhou ary nanakiana ilay mpanao horonantsary malaza mihitsy aza :
「小时代」有一点是对的,导演把关把得好,全片没出现一个演技派,大家水准一般齐…
Zavatra iray ihany no marina ao amin'ilay Tiny Times – avy amin'ny ambaratonga ambany no nifidianan'ilay mpandrindra ireo mpanao sarimihetsika izay tsy afaka ny hanatanteraka izany araka ny tena izy
Samy nahazo fanakianana avokoa ny fanehoan-kevitr'i Zhou na ny an'i Maguashihang, na avy amin'ireo mpitia an'i Guo Jingming, na ireo mpitia ireo mpilalao lahy sy vavy ao anatin'ilay horonantsary. Maro ireo nanoratra fa efa nilaozan'ny toetr'andro ireny fanakianana ireny amin'izao fiainana natao ho an'ny tanora izao. Ilay Tale, Ning Caishen (@宁财神), dia nanakiana ilay fanakianana “nilaozan'ny toetr'andro” :
小时代是类型清晰的小鸡电影,好歹能伺候人家自己的观众群。我这次生气的只是周黎明老高刘春杨早史航那些八十多岁的老年人,有愤怒感很正常,但是,没想明白就上战场,胡喷一气,没干掉人家,反倒惹一身骚,所有烦恼都是自找的!
Tiny Times dia iray amin'ireo tantara mora raisina izay mikendry ireo tanora mpankafy azy. Mahatezitra ahy fotsiny ireo olon-dehibe toa an'i Zhou Liming sy Maguashihang, sns. Takatro ny hatezeran'izy ireo, kanefa izy ireo ihany no nanao fandrika ho an'ny tenany tamin'ny nidirany anaty ady lehibe amin'ny tsy fahafantarany akory ny toerana misy azy, resy tamin'ny ady madinika ary mizotra makany amin'ny fahasosorana.
Nihanafana ilay adihevitra tao amin'ny filazam-baovao Shinoa taorian'ny nidiran'ilay gazety mpiseho isanandro People’s Daily an'ny Antoko kaominista Shinoa tao anatin'ilay resaka ary nanaratsy ilay horonantsary. Ary raha toa ka tsy iray ihany ny fanakianana nataon'ilay gazety, dia lasa nisarika ny fifantohan-tsain'ireo mpamaky azy hihataka tamin'ny fanakianana ilay horonantsary ho any amin'ny ady atao amin'ny ezaky ny filazam-baovaom-panjakana hifehy ny foto-pisainan'ny olona:
@北島學長 虽然还没看这个电影,估计也不会喜欢,但人民日报这样上纲上线未免太小题大做了,各种主义并不是因为这个电影才出现、形成的,把人文建设的责任推给《小时代》,不如思考一下这些社会问题出现的根本原因。
@”Senior student Beidao” Na dia mbola tsy hitako sady tsy antenaiko ho ankafiziko aza ilay horonantsary, dia tsapako fa toa manatombo, maniusy sira be ihany ny filazan'ilay People’s Daily momba ny hasin'ilay horonantsary. Tsy avy amin'ilay horonantsary akory no nipoiran'ny rendrarendra sy ny fandanilaniana. Tokony hijery akaiky ny tena antony nahatonga ireny trangam-piarahamonina ireny ny People’s Daily fa tsy variana manakiana ny andraikitry ny fampianarana ny olona anatin'io horonantsary io.
@朱学东 不允许小时代只讲大时代的时代,一定是可怕的园艺时代。在园艺社会,园艺师永远正确,只有它们才配掌握了草木的生命,园艺社会是人类的大敌。
Zhu Xuedong : Taona mahatsiravina indrindra natao ho an'ny fikarakarana zaridaina ny taona tsy ahafahana manao afa-tsy ny “Big Time” – Fotoan-dehibe – fa tsy ny “Tiny Time” – Fotoana Bitika. [Raha tsy hijery afa-tsy ny fotoana nibaikon'ny fitondrana ny olona teo amin'ny sehatry ny fambolena. Noraisin'ny maro izany fomba fiteny izany hanondroana ny fiombonana tsy refesi-mandidy.] Ao aminà fiarahamonina iray miompana amin'ny fambolena” , dia ny mpikarakara zaridaina hatrany no manampahefana mpibaiko ny fiainan'ny hazo sy ny bozaka. Ny fiarahamonina toy ny fikarakara zarizaina anefa no tena fahavalo lehibe ho an'ny olombelona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...