Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina

Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay,  nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall – Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala–nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.

Nilaza i Fanga fa nanapa-kevitra ny hiala amin'ny asany amin'ny maha Filohan'ny anjerimanontolo azy izy satria nanimba ny fahasalamany ny vesara tafahoatran'ny andraikitra eo amin'ny asany, raha nanatrika ireo mpianatra marobe nahazo maripahaizana avy ao amin'io anjerimanontolo io izy.

“Misy aretina goavana mahatonga ahy tsy afaka miasa hatramin'ny alina be intsony, tsy afaka hiantsoroka andraikitra roa amin'ny fanaovana fikarohana sy ny fitantanana intsony tahaka ny taloha aho,” hoy izy nibaboka.

Screen grab of Fang Binxing's Weibo account

Sary nalaina tao amin'ny kaonty Weibo an'i Fang Binxing

Nitantana ny iray amin'ireo rindrambaiko fanivanana Aterineto raitra indrindra erantany i Fang, 52 taona, rindrambaiko antsoina hoe “Great Firewall” izay hanakanan'ny governemanta Sinoa ireo zavatra ao anaty aterineto hitany fa tsy ara-dalàna. Ireo “tsy ara-dalàna ” ireo, ankoatra ny horonantsary mamoafady ao anaty aterineto sy ireo lalao voararan'ny mpampanara-dalàna ny Aterineto, indraindray ihany koa dia misy ny antontan-kevitra mety handoto ny endriky ny antoko kaominista eo amin'ny fitondrana.

Nivadika ho fanafihana mitafy herisetra an'i Fang ny fankahalan'ny maro ny Great Firewall, izay manome lanja ny fikorianana malalaky ny vaovao. Ohatra iray, notorahana atody sy kiraro izy raha nanatrika adihevitra tany amin'ny Anjerimanontolon'i Wuhan any Shina Afovoany. Voakiana tao anaty aterineto ihany koa izy tato anatin'ny taona vitsy lasa.

Ny tsy fananany laza, sy ny fahasorenan'ny vahoaka mihanaka be amin'ny fifehezana henjana ataon'ny fanjakana ny Aterineto, dia mbola hita faritra satria nitombo ny olona nitodika amin'ny loharanom-baovao ety anaty aterineto mba hamenoana ny banga navelan'ny media tranainy ara-dalàna ao Shina.

Noho izany, rehefa niparitaka ny feo fa niala ny toerana amin'ny maha-mpamorona iray fanta-daza ny rindrina fanivanana i Fang, namaly tamin-keso ireo mpampiasa Aterineto.

Nitsikera tao amin'ny tolotra Sinoa fitoraham-bilaogy bitika malaza, Sina Weibo, i Kuaile de Manshen_odi:

方滨兴:”这次毕业典礼对我来说也是极为特别的,因为这次毕业典礼恰逢本届校行政领导班子履职期满,这是本届领导班子最后一个本科生毕业典礼。(掌声)”——这个掌声意味深长啊!

Fang Bingxin, “tena hafakely mihitsy ny lanonana fanomezana maripahaizana amin'ity taona ity ho ahy, mifanitsaka amin'ny fahataperan'ny fotoam-pitantanako ity fanomezana maripahaizana ity, ity no lanonana fanomezana maripahaizana farany hatrehan'ity fitantanana ity. ( tehaka)”—– Sarotra takarina ny hevitr'io tehaka io! [Sarotra ny milaza na mitehaka hisaotra azy ireo mpianatra na haneho ny tsy fitiavan'izy ireo ny asany na koa faly izy ireo fa marary izy.]

Nanoratra ampanesoana i LIU_SHU_WEI:

辞的是时候,斯登诺刚走。用你的技术把中国的信息封闭了多少年了,中国人都变成猪了,每天只能搜索点吃喝玩乐的事情了。

Fotoana izao hialàny, vao avy niala i Snowden. Nisakana ny fampahalalana ny teknolojianao nandritra ny taona maro, navadika ho toy ny kisoa ny vahoaka Sinoa, ny hany azon'izy ireo natao isanandro dia ny mikaroka singan-javatra mampiala voly tahaka ny fisakafoanana na ny toerana hifampitaonana miaraka amin'ny namana.

Nanoratra i Kong Xiaoming Noodle :

祝病魔早日战胜方校长!大家一起给方校长送个花圈吧!花圈上写满404。再刻一块墓碑,墓碑刻上:404 not found,无法找到此人信息。追悼会的主题是“连接超时,无法显示该网页”

Manantena aho fa afaka handresy lahatra ny filoha Fang ny aretiny! Miangavy ny rehetra hanipy voninkazon-katezerana ho an'ny filoha Fang! Anatin'izany dia hanoratra 404 amin'ny vatany iray manontolo isika, horaketintsika eo amin'ny vatom-pasana ny : 404 tsy hita, tsy misy mombamomba azy azo omena mikasika ity olona ity. Ny Fotokevitry ny fandevenana dia “Lany ny fe-potoana ahafaha-mifandray, tsy afaka niditra tamin'ilay pejy”

Nanamarika i TRACE1996 :

方校长修墙辛苦了,也该歇歇了。

Tena reraka nanangana ilay rindrina fanivanana ny Filoha Fang, fotoana izao hakàna aina.

Nanoratra tsotra fotsiny i Leonides:

再见,404 Not Found之父

Veloma, ry rain'ny “404 Not Found – 404 tsy hita”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.