· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Misafidy, na i Tadic na i Nikolic

Bilaogera Serba maro no manohana an'i Tadic sy ny fifandraisana akaiky kokoa eo amin'i Serbia sy ny Firaisambe Eoropeana, ary manohitra ny politika nasionalistan'i Nikolic. Ny sasany kosa anefa diso fanantenana amin'ny politikan'i Tadic nandritra ny fitondrany teo aloha ary mino fa nampahery ireo radikaly izany.

Blogs&Beers miaraka amin'i José Luis Orihuela

  10 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitsidika an'i Shily i José Luis Orihuela raha nasain'ny Fivoriamben'ny Serasera Iraissam-pirenena sy ny Atrikasa izy.  Nanasa an'i José Luis hiresaka amin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fihaonana Blogs & Beers [Bilaogy sy Labiera] ireo bilaogera samihafa raha manararaotra ity fotoana manokana ity....

Meksika: Herisetra mifandraika amin'ny zava-mahadomelina ao Tijuana

  09 Desambra 2018

Nanjaka manerana ny firenena ny herisetra teo amin'ny manampahefana Meksikana sy ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan-jiolahy amin'ny zava-mahadomelina ka namoizana aina marobe sy fiarahamonina mahatsapa ho tsy mahavita azy. Niezaka nanakana ny fitomboan'ny herisetra ny governemanta Meksikana tamin'ny alàlan'ny fandefasana polisy federaly sy miaramila any amin'ireo faritra tena voakasika indrindra.

Pero: Ireo Bilaogy Nalaza Indrindra tamin'ny 2006

  08 Desambra 2018

Ho fanamarihana ny faran'ny taona 2006, nandray ny andraikitra hampiseho ireo mety ho misongadina indrindra amin'ny Weblogs Peroviana tamin'ity taona ity ireo bilaogera vitsivitsy. Taona iray nahitàna fitomboana saika tsy miovaova teo amin'ny tontolon'ny bilaogim-pirenentsika.

‘Ny printsy kely’ amin'ny teny Tsotsil

  06 Desambra 2018

Vao avy nanampy fiteny hafa tao amin'ny lahatahiriny ny iray amin'ireo boky be mpandika indrindra manerantany:  "Ilay Printsy kely", izay hita amin'ny teny Tsotsil, fiteny indizeny ampiasain'ny olona 400.000 ao amin'ny fanjakana atsimo-atsinanana Meksikana any Chiapas.

Ekoadaoro: Ny feon'ny findaiko sy ny fitantarana isan'andro ataon'olontsotra

  06 Desambra 2018

Ao amin'ny faritra saro-dalana manodidina an'i Quito, Ecuador, napetraka ny kamiao kely norakofana tsara nandritra ny tontolo andro mba hampianatra momba ny tontolon'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra. Ahitana seza maro ary koa birao mihitsy aza ao anatin'ilay fiara, antsoina hoe "Mi Voz Móvil" (Ny Feon'ny Findaiko), ampy tsara handraisana mpanao gazety.