Meksika: Herisetra mifandraika amin'ny zava-mahadomelina ao Tijuana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008)

Nanjaka manerana ny firenena ny herisetra teo amin'ny manampahefana Meksikana sy ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan-jiolahy matanjaka amin'ny zava-mahadomelina ka namoizana aina marobe sy fiarahamonina mahatsapa ho tsy mahavita azy. Niezaka nanakana ny fitomboan'ny herisetra ny governemanta Meksikana tamin'ny alàlan'ny fandefasana polisy federaly sy miaramila any amin'ireo faritra tena voakasika indrindra. Ny polisy, ireo dahalon'ny zava-mahadomelina ary ireo niharam-boina tsy manan-tsiny no loha-laharana eny an-tany fiadiana. Malahelo ireo bilaogera Meksikana sasany noho ity herisetra feno habibiana ity, ary matetika lasa manontany tena ny amin'ny fomba hiatrehana ny vokany. Franc Contreras, mpitati-baovao solontenan'ny Al-Jazeera nandefa ny tatitrany tao amin'ny bilaoginy manokana Mexico Monitor.

Ny 17 Janoary, nitohy ny herisetra tany Tijuana, akaikin'ny sisin-tanin'i Etazonia-Meksika, izay nahitana olona nalaina an-keriny 6 sy ahiahiana 1 namoy ny ainy. Nandefa lahatsary roa avy amin'ny fahitalavitra Meksikana ny bilaogy Zacatekas [es] izay ahitana lahatsary mampivarahontsana misy ny tifitifitra. Mampiseho ny fomba namoahana ireo ankizy ihany koa ny lahatsary. Nialohavan'ny loza hafa tany am-piandohan'ny herinandro izay nahafaty polisy iray voatifitra ity herisetra ity. Milaza ny tatitra sasany fa nampiasa grenady atosiky ny balafomanga sy basy matanjaka ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan-drongony.

Daniel Hernandez, mpanoratra monina ao Mexico City, manoratra ao amin'ny bilaoginy Intersections momba ny herisetra tsy voafehy ao amin'ny firenena, sy ny fiantraikany goavana ao amin'ny tanàna sisin-tany.

Narco violence is climaxing in Mexico, in nearly every region of the country and across just about every demographic, children and popular musicians included. An addiction epidemic is also becoming evident. The news is grim, day after day. El Universal reported Saturday that in the previous 24 hours 15 more people had been killed in narco-related violence in five states. And this morning, the Tijuana daily Frontera is reporting briefly that the delegational police chief in La Mesa was kidnapped on Saturday night.

Mitombo ny herisetran-drongony any Meksika, saika manerana ny faritra rehetra ao amin'ny firenena ary saika mahazo ireo mponina rehetra, ao anatin'izany ny ankizy sy ny mpihira malaza. Lasa miharihary koa ny aretina fiankinan-doha. Miharatsy isan'andro ny vaovao. Nitatitra ny El Universal ny Asabotsy fa teo amin'ny 24 ora farany teo, dia olona 15 no maty tamin'ny herisetra mifandraika amin'ny zava-mahadomelina tao amin'ny fanjakana dimy. Ary tamin'ity maraina ity, nitatitra fohy ny gazety mpivoaka isan'andro ao Tijuana, Frontera, fa nalaina an-keriny ny lehiben'ny polisy ao La Mesa ny asabotsy alina.

Rafa Saavedra avy ao amin'ny Cross Fader Network [es] sady mponina ao Tijuana namoaka ny valinteniny tamin'ny fanontaniana napetraky ny gazety El Universal taminy. Tsy navoaka tao amin'ny gazety ny valinteniny, saingy nanome ny heviny momba ny herisetra kosa i Saavedra.

Por una parte, es devastador porque este hecho nos toca de alguna forma a todos. Hasta quienes somos unos malditos optimistas y creemos en el esfuerzo de las autoridades, vimos live and direct como nuestro sueño de seguridad corría aprisa, asustado, con las manos en la cabeza, tapándose los oídos, sin saber ni tener idea de lo que está pasando. Justo como esos niños que vimos como loop en la televisión. Creo, el tiempo pondrá las cosas en su justa dimensión, que estamos ante otro parteaguas en la historia reciente de Tijuana.

Etsy ankilany, mampivarahontsana izany satria misy fiantraikany amintsika rehetra ity zava-mitranga ity. Na dia isika izay milaza fa be fanantenana sy matoky ny ezak'ireo manampahefana aza mijery izany rehetra izany mivantana. Hitantsika fa nivadika haingana mampatahotra ny nofinofintsika ho an'ny fiarovana, tanana eo ambony loha, manampina sofina ary tsy manan-kevitra mikasika izay mitranga. Tahaka ireo ankizy izay hitantsika hatrany amin'ny fahitalavitra. Heveriko fa ao anatin'ny fandehan'ny fotoana, hiova ny zava-misy ary hiatrika fiovana amin'ny fahatsiarovana vao haingana an'i Tijuana isika.

Hernandez manohy miresaka ny fiantraikan'ny herisetra ao amin'ny faritra.

Sucks for Tijuana, a city trying to enjoy its cultural and culinary renaissance. Now it seems my ancestral tierra is being defeated in spirit by a wild and bloody narco war — between the government and the cartels, between the cartels themselves — that claims many more victims than it does any readable successes or setbacks.

Miondrika ho an'i Tijuana, tanàna iray miezaka mankafy ny fanavaozana ara-kolontsaina sy ara-tsakafo. Ankehitriny, toa resy ara-panahy ny tierra razambeko noho ny ady goavana sy mihoso-drà ateraky ny ady amin'ny zava-mahadomelina — ifanaovan'ny governemanta sy ny dahalon-drongony, sy eo amin'ireo samy dahalon-drongony ihany koa — izay niteraka fahafatesan'olona maro kokoa fa tsy fahombiazana na fahavoazana mazava.

Farany, bilaogera Borderlandia tsy manana fanantenana loatra momba ny toe-draharaha ao Meksika mikasika ny herisetra mifandraika amin'ny rongony ary manoratra hoe: “Mirodana tsikelikely ny firenena, Reraka ireo andrim-panjakana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.