Kolombia: Tezitra ny vaomiera Sabaneta noho ireo tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2011)

Na dia teo aza ny fiarovana teo amin'ny fampitaovana narovan'ny filoha Juan Manuel Santos tamin'izany fotoana izany [es] tamin'ny fifidianam-paritra tamin'ny 30 Oktobra 2011, maro isan-karazany ireo tsy fanarahan-dalàna notaterina tao amin'ny faritra maro tao Kolombia. Manohitra am-pilaminana ny valim-pifidianana ny mponina ao amin'ny tanàna kely indrindra ao amin'ny firenena, Sabaneta, Antioquia,  ary nitaky fanadihadiana momba ireo tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana.

Nanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny sit-in, diabe milamina, Twitter (#sabanetaindignada) [es], Facebook [es], bilaogy [es], media nomerika [es], YouTube [es] ary taratasy ho an'ny fampahalalam-baovao mahazatra maneho ny hatezeran'izy ireo ny olom-pirenen'i Sabaneta.

Tao anatin'izany taratasy izany, izay navoaka tao amin'ny Facebook ihany koa, nanonona tsy fanarahan-dalàna marobe ny olom-pirenena, anisan'izany ny famindrana ny fifidianana – mpifidy avy amin'ny kaominina hafa mifidy ao Sabaneta – ary ny fitaoman'ny ben'ny tanàna am-perinasa Guillermo León Montoya mba hanohana an'i Luz Estela Giraldo. Nitatitra ihany koa izy ireo fa nisy fahatapahan'ny herinaratra tao amin'ny sekoly Rafael J. Mejía tamin'ny 6:15 hariva, raha nitarika tamin'ny latsa-bato i Iván Montoya sy Gloria Díaz, ambonin'ny vaton'i Luz Estela Giraldo, tamin'ny elanelam-bato miisa 77 monja.

Marcha pacifica en Sabaneta, Foto Lully

Diabe am-pilaminana tao Sabaneta, sary avy amin'i Lully.

Nanohana ny olom-pirenena tamin'ny alàlan'ny fanakanana ny tranonkala ofisialin'ny kaominina ny Anonymous Colombia, araka ny nambaran'izy ireo [es] tao amin'ny Facebook:

Se a dado down a la pagina de la Alcaldía de Sabaneta por fraude en elecciones durante tres periodos seguidos

Voasakana ankehitriny ny tranonkalan'ny kaominin'i Sabaneta noho ny hoso-pifidianana nandritra ny fotoana telo mifandimby.

Ana María (@ana_serna), tahaka ireo mpiserasera hafa, nandefa sary [es] tao amin'ny Twitter izay manaporofo fa hosoka [es] ny sasany tamin'ireo vato ary nodorana ny hafa. Manondro [es] ny fahafatesan'ny mpitarika ambonin'ny FARC, Alfonso Cano ho toy ny fanodinan-tsaina ho an'ny media mba hialàna amin'ny olana #SabanetaIndignado (#Sabanetaoutraged) ihany koa izy:

Con lo de Alfonso Cano Ahora si que menos será importante lo del #FraudeElectoral en el país #SabanetaIndignado

Amin'ny fahafatesan'i Afonso Cano, tsy ho zava-dehibe intsony raha misy ny hoso-pifidianana ao amin'ny firenena #Sabanetaoutraged.

Manu Valencia (@ValeFeerica), nampiseho ny fahatezerany [es] ary nandrisika ny hamaranana ny kolikoly:

#SabanetaIndignado Es momento de organizarnos y hacer escuchar nuestra voz en defensa de la democracia. Basta ya de corrupción.

#SabanetaIndignado fotoana hifandaminantsika izao ary maneho ny feontsika mba ho re ho fiarovana ny demokrasia. Ampy ny kolikoly. #SabanetaIndignado it’s time to organize ourselves and make our voices heard in defense of democracy. Enough with corruption.

Kleper (@kleper) sy @internautismo niombon-kevitra [es] fa tokony haverina ny fifidianana, raha nampifandray lahatsoratra [es] nosoratan'i Caracol Radio [es] kosa i Maritza Rendon (@Maritzaren) ary mangataka mba handraisana ireo vato hita nariana tanaty fako:

Reanudan conteo votos #sabanetaindignado Persisten plantones – http://bit.ly/tZBqyY Que cuenten los de la basura.

Naverin'izy ireo ny fanisam-bato #sabanetaindignado Mitohy ny fihetsiketsehana -http://bit.ly/tZBqyY Tokony isain'izy ireo ny vato hita tanaty fako.

José Iglesias (@joseiglesiasb) mitaraina [es] fa tsy miraharaha ity olana ity ny media mahazatra satria milamina tsy misy herisetra ny fangatahana avy amin'i Sabaneta

Ni medios locales se han pronunciado con #SabanetaIndignado. Necesitan asonadas, registradurías quemadas y muertos para liderar en el rating

Na dia ny media ao an-toerana aza tsy niresaka momba ny #SabanetaIndignado. Mila korontana izy ireo, may ny biraon'ny governemanta ary maro ireo maty

Diego Ángulo (@diegoanguloinez), manondro ny [es] fanambarana nataon'ny OAS (Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana) [es], mampitandrina fa amin'ireo fifidianana ireo, misy ny fahafahana manamora ny hosoka:

Estas elecciones han sido las más corruptas de la historia, sin firma, ni huella un jurado podía hacer lo que quería

Ireo fifidianana ireo no tena feno kolikoly eo amin'ny tantara, tsy misy sonia na lavotondro, afaka manao izay tiany atao ny mpitsara.

Ny lahatsary manaraka dia mampiseho ny iray amin'ireo diabe milamina arahin'ny fanapariahana miaramila ao amin'ny kaominina, misy mpijoro vavolombelona mitantara ny zava-niainany tao amin'ny sekoly Rafael J.Mejia ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.