Vehivavin'i Oaxaca mianatra ny fahaizana fototry ny sary hanoritan-joro indray ny fiainany

Deborah Klochko workshop

Mpandray anjara amin'ny atrikasa “¡Rompe las reglas de la foto!” (manapaka ny lalànan'ny fomba fakàna sary aho!). Saripikan'i Angie Keller, nahazoana alalana.

Ao Oaxaca, miorina ao atsimo atsinanan'i Meksika, vehivavy tompotany fito amin'ny folo no miaina ao anaty fahantrana. Ankoatra izany dia voafetra tanteraka ny fanabeazana. Eo andaniny, manana anjara toerana lehibe ny vehivavy dieny mbola kely ao an-tokantrano, ary eo andaniny, araka ny nolazain'ny manampahefana federaly, ny fombafomba eo an-toerana no mahantonga ny fianakaviana maro hitazona azy ireo tsy hakany an-tsekoly.

Noho izany toe-javatra izany, nanambatra ny heriny ny Museum of Photographic Arts [MOPA na mozean'ny Zavakanto ara-saripika], miorina ao California, Etazonia, sy ny Fondo Guadalupe Musalem, fikambanana meksikana iray tsy mitady tombombarotra. Nandritra ny faran'ny herinandron'ny novambra 2018, tanora zazavavy miisa 25 no nianatra ny teknikan'ny fakana saripika avy amin'ny mpampiofana ao amin'ny MOPA.

Hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995, namelona atrikasam-panabeazana ho an'ny zazavavy avy amin'ny vondrom-piarahamanonina tompotany na tambanivohitra nahazo vatsim-pianarana ny Fondo Guadalupe.

Nifampiresahan'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny imailaka i Deborah Klochko, tale mpanatateraky ny MOPA, izay nilaza zavatra betsaka taminay momba ilay fisantaran'andraikitra:

Global Voices (GV): Inona ny aingam-panahy niteraka ny fiarahamiasa teo amin'ny MOPA sy ny Fondo Guadalupe Musalem?

Deborah Klochko (DK): Supe del Fondo Guadalupe Musalem a través de su instructora de fotografía Marcela Taboada, a quien conocí en un taller que di en Ciudad de México. Me contó sobre su programa e inmediatamente supe que MOPA tenía que formar parte de él. Supimos que éramos una colaboración destinada, al poder usar la fotografía como parte de su travesía.

Hitako ny Fondo Guadalupe Musalem tamin'ny alalan'ny mpampiofana an-tsaripika, Marcela Taboada, izay nifanena tamiko tao amin'ny atrikasa notanterahako tao Mexico. Nolazainy tamiko ny momba ny programako ary fantatro fa tsy maintsy ao anatin'izany ny MOPA. Fantatray tamin'izany fa natao hiara-hiombon'antoka izahay, afa-mampiasa ny saripika ho ao anatin'ny diany.

GV: Azonao lazaina bebe kokoa aminay ve ny atrikasa izany nomena ireo zazavavy ho ao anatin'ity fisantaran'andraikitra ity?

DK: El taller se llama ¡Rompe las reglas de la foto! Haciendo uso de un modelo interactivo, la instructora de MOPA Maria Rios-Mathioudakis y las alumnas del Fondo trabajaron en equipo para identificar las reglas fotográficas para después adrede romperlas. Las alumnas identificaron más de 15 reglas, como por ejemplo, el cuidado que se le da a una foto impresa para no deteriorarla, enmarcar y colgar fotos en una pared para ser mostradas, etcétera.

En equipo o en pares, las alumnas se propusieron a romper las reglas que identificamos, tomando fotos, imprimiéndolas e interviniendo en el proceso. Estas intervenciones se dieron cuando crearon su propio collage (recortando sus imágenes y reconstruyendo una sola imagen con los recortes), creando siluetas, escribiendo sobre las imágenes con plumones (varias hicieron esto es su idioma natal), y creando perfiles de sus compañeras (al estilo de David Hockney [pintor británico] y Joyce Neimanas [fotógrafa estadounidense]). Este estilo juega con su percepción de su espacio ya que presenta una representación compleja del sujeto.

DK: Ny atrikasa dia nantsoina hoe “manapaka ny lalànan'ny saripika!”. Mampiasa ny maodely fifanatrehana, Niasa toy ny ekipa iray ny mpampiofan'ny MOPA, Maria Rios-Mathioudakis, syny mpianatry ny Fondo hamantatra ny lalànan'ny saripika mba ahafahana manitsaka izany amin'ny fotoana mety aoriana. Fitsipika mihoatra ny 15 no hitan'ny mpianatra, ohatra, ny fitamndremana omena ny saripika natao pirinty mba tsy hahasimba azy, fanoritan-joro sy fanantonana sary amin'ny rindrina mba haranty, sns.

Tao anaty vondrona ahitana olona tsiroaroa, nampiasaina ny mpianatra hanitsaka ny fitsipika izay nofantarinay, manapika sary, manonta azy ireny, ary miditra an-tsehatra eny an'elanelany. Nampiasaina izany fidirana an-tsehatra izany  rehefa namorona ny petaka azy ireo manokana ry zareo (manapatapaka sary ary manorina sary tokana iray vaovao tamin'izay notapatapahina), mandranitra, manoratra ambonin'ny sary amin'ny alalan'ny markers (nanoratra izany tamin'ny tenindrazany ny sasany), ary mametraka aloka amin'ny mpiara-miasa aminy (araka ny fanaon'i David Hockney [Britanika mpandoko] sy Joyce Neimanas [Amerikana mpaka sary]. Mampiasa ny fomba fahatakarany ny habaka (tontolo) izany fanao manokana (style) izany satria mampiseho ny endrika sarotsarotra amin'ny lohahevitra banjinina.

GV: Manana tantara manokana tianao hozaraina amin'ny mpamakinay ve ianao momba ireo zazavavy nandray anjara?

DK: Recibimos a un grupo increíble de jóvenes talentosas. El taller comenzó a las 10 a.m. y termino a la 6:30 p.m. A esta hora las alumnas nos pidieron más tiempo para trabajar en sus proyectos. En todos mis años dando clases, me he encontrado con un joven o dos con el mismo tipo de motivación que vi en cada una de nuestras 25 alumnas. Fue un grupo que escarbó profundo y creó muy buen trabajo. Estuvieron presentes, fueron críticas, trabajaron en equipo y rompieron las reglas (de la mejor manera posible).

DK: Nifanehatra tamin'ireo tanoravavy manantalenta tokoa izahay. Nanomboka tamin'ny folo maraina ny atrikasa ary nifarana tamin'ny enina ora sy sasany hariva. Tamin'izany ny mpianatra nangataka taminay mba hanome azy ireo fotoana bebe kokoa hiasana amin'ny tetikasan-dry zareo. Nandritra ny taona maro nampianarako, olona iray na roa ihany hatramin'izay no nanana fahavitrihana tahaka ny nananan'ireto tanoravavy miisa 25 ireto. Niditra lalina tokoa ry zareo ary nahatsangana asa tena tsara. Nifantoka ireo ary nieritreritra lalina momba ny asa vitany, niasa ho ekipra ry zareo ary nanitsaka ny fitsipika (araka izay tena mety azo atao).

Guadalupe Musalem - Klochko - Oaxaca

Deborah Klochko (eo ankavia) mitarika ny atrikasa fiofanana ao anatin'ny fiasana miaraka amin'ny Fondo Guadalupe Musalem. Saripikan'i Angie Keller, nahazoana alalana.

GV: Nanao ahoana ny fampianarana tamin'ity indray mitoraka ity raha oharina tamin'izay nandraisanao anjara tany aloha tany?

DK: El grupo también fue de varias maneras parecido a los que nos encontramos en los Estados Unidos. Son mujeres jóvenes que están muy bien conectadas a las culturas globales que encuentran a través del internet: YouTube, Anime e Instagram en sus smartphones. También están muy abiertas a aprender a utilizar nuevas herramientas, aplicaciones y filtros.

DK: Nanana fitoviana tamin'izay nataonay indray mandeha tany Etazonia ity vondrona ity tamin'ny lafiny sasany. Efa tafaharo tsara tamin'ireo kolontsaina manerantany hitany tamin'ny aterineto ry zareo: YouTube, Anime ary Instagram ao amin'ny smartfindainy. Tena misokatra ihany koa ry zareo amin'ny fianarana fitaovana, fampihatra ary sivana vaovao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.