· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2018

Fivondronan'ny bilaogera miteny Espaniola

  29 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Natombok'i Carmen ity tetikasa vaovao iray ity, Espaniôla iray manana fahalianana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fanoratana bilaogy amin'ny teny Espaniôla. Nanomboka nanangona bilaogy vitsivitsy izay nanintona ny sainy izy ary efa nihoatra ny zato ny lisitra tamin'ny fotoana nanoratana....

Tamin'ny fifaninanana lahatsary sy lahatsary amin'ny finday ho an'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra manerantany

Fifaninanana telo samihafa no nisokatra ho an'ireo bilaogera an-dahatsary manerana izao tontolo izao tamin'io taona 2008 io, natao manokana ho an'ny olontsotra manoratra isan'androa na amin'ny sokajy ho azy ireo. Iray ho an'ny sarimihetsika amin'ny finday, iray ho an'ny fampiroboroboana toe-javatra tianao arovana ary ny farany dia fitaterana vaovao amin'ny alàlan'ny lahatsary an-tserasera.

Però: Fitantarana antserasera momba ny horohorontany

  28 Desambra 2018

Nahatratra 337 ankehitriny ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'ny horohorontany tany Ica, any Però. Ny isan'ireo naratra kosa dia 827. Mbola tsy nivoaka tamin'ny gazety Lima, El Comercio na RPP izany tarehimarika izany, tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Lahatsoratra vao haingana avy ao Però

  28 Desambra 2018

Ity manaraka ity dia fijerena kely ireo lahatsoratra sasany vao haingana notsongaina tamin'ireo bilaogy Peroviana isan-karazany; lahatsoratra izay hita fa nitarika fahalianana tamin'ny fomba iray na hafa:

Però: Mankany amin'ny fihodinana faharoa

  27 Desambra 2018

Tapitra ny fifidianana tany Però, saingy hiverina izany satria tsy nanambara ampahibemaso ny zavatra efa fantatsika rehetra izy ireo: hisy ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ary i Ollanta Humala sy Alan García no hifaninana amin'izany.

Però: Oram-be sy fihotsahan'ny ranom-potaka tao Cusco

  27 Desambra 2018

Niharan'ny oram-batravatra sy ny tondradrano ny faritra Cusco, Però, ary namela mponina niharam-boina an'arivony maro . Nametraka fanontaniana tsy voavaly momba ny fiomanan'ny faritra manoloana ireo karazana loza voajanahary ireo ny voina.