Blogs&Beers miaraka amin'i José Luis Orihuela

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitsidika an'i Shily i José Luis Orihuela raha nasain'ny Fivoriamben'ny Serasera Iraissam-pirenena sy ny Atrikasa izy.  Nanasa an'i José Luis hiresaka amin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fihaonana Blogs & Beers [Bilaogy sy Labiera] ireo bilaogera samihafa raha manararaotra ity fotoana manokana ity.

Niresaka momba ny asa fanaovan-gazety malalaka i José Luis ,ary ny fahasamihafana tahaka ny hoe, raha tokony hiteny hoe fandraisana anjaran'ny mpanao gazety (araka ny lazaintsika hoe hetsika famahanana bilaogy) dia tokony hilaza hoe “media sosialy” isika. Nanazava izy fa tsy ny bilaogera rehetra akory no mpanao gazety ary nanome ny sarisarin'ny bilaogera fa mitovy amin'ny DJ ny bilaogera, satria tsy mamorona ny mozika izy ireo fa manova ny mozika izay efa misy ihany. Momba ity lohahevitra ity, hoy i Roberto raha nanoratra hoe:

“In my case this definition strikes me as right. My own mix has bits of reality, media information, personal experience and opinions, my judgments and prejudices, some sparks passing through television and the newspaper's front page, books I read, blogs I visit, the comments and the daily conversations. I’m not a journalist, I’m a blogger”

“Raha ho ahy, hitako ho marina io famaritana io. Ny mozika nafangaroko manokana dia manana ny zava-misy marina, ny fampahalalam-baovao, ny zava-niainana manokana sy ny hevitra, ny fitsarako sy ny fitsarana an-tendrony, ny hazavana mandalo amin'ny fahitalavitra sy ny pejy voalohan'ny gazety, ireo boky novakiako, ireo bilaogy hitako sy ireo fanehoan-kevitra ary ny resadresaka isan'andro. Tsy mpanao gazety aho, fa bilaogera “

Hita ao amin'ny Atina Chile ny fanadihadiana mahaliana momba ity olana ity ary ao amin'ny lahatsoratr'i Maria Pastora (ES) dia manoritsoritra ny fihetseham-pon'i Orihuela ihany koa izy:

“Being with the most famous blogger of Spanish speaking was great: a calm man, open to conversation, very kind, and no arrogance. But overall, we learned a lot from him and he talk of one of the things that passionate us: blogs! “

“Nahafinaritra ny niaraka tamin'ilay bilaogera malaza indrindra amin'ny teny Espaniôla: lehilahy tony, misokatra ho amin'ny resadresaka, tena tsara fanahy ary tsy miavonavona. Saingy tamin'ny ankapobeny dia nahafantatra zavatra betsaka taminy izahay ary niresaka momba ny zavatra iray izay nahaliana anay: bilaogy! “

Nizara ny fanamarihan'izy ireo i Alexis , izay nanatrika ny Blogs&Beer sy ny fivoriambe:

“The good new is that everyone can publish. The bad new is that everyone can publish.”

“Ny fahafahan'ny tsirairay mamoaka lahatsoratra no vaovao tsara. Ny fahafahan'ny tsirairay mamoaka lahatsoratra no vaovao ratsy . “

Nanoratra ny mifandraika amin'ny asa fanaovan-gazety mitsiranoka

“Orihuela speaks about liquid journalism, that difference from the traditional that follows patterns. The journalist should adequate to the new times. Be liquid, shapely. Get specialize in one issue, but get diversification through language. Blogs have set out challenges: the most important is to hear the readers”.

“Niresaka momba ny fanaovan-gazety mitsiranoka i Orihuela, ity fahasamihafana amin'ny fomba nentim-paharazana izay nanaraka ny lamina ity.  Tokony mahay mifanaraka amin'ny fotoana vaovao ny mpanao gazety. Ho malalaka, mahay mamolavola. Miezaha ho matihanina amin'ny adihevitra iray, kanefa ihany koa ampiasao amin'ny fomba samihafa ny fiteny. Mametraka fanamby ny bilaogy : ny mihaino ny mpamaky no tena zava-dehibe “.

Maimaim-poana ilay fanasana. Afaka nandefa fanehoan-kevitra avokoa ny rehetra mba hanamafisana ny fanatrehana tao amin'ny: bilaogy El medio , Menudencias, Alfredo Sepulveda, Red de blogs UC, eCuaderno y Sergio Fortuño (izay mitantara ny hevitr'ireo bilaogera ho an'ny Radio Concierto).

Hita eto ireo sary avy amin'i Maria Pastora  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.